Governemanta vaovao

Efa mba nisy lera nivoaka aloha!


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Efa mba nisy lera nivoaka aloha izany iny omaly mikasika ny fanendrena ireo mpikambana ao

anatin’ny governemanta vaovao malagasy! 42 andro taty aorian’ny nanendrena fanin-diminy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, no vao io misy fampahafantarana io fa ny tolakandron’ity anio ity, amin’ny 4 ora no ho tendrena ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta. Mbola fanendrena ve izany io fa mbola tsy avy hatrany dia fampahafantarana hoe ireto avy ireo voatendry? Tena ho voahaja indray ve ny ora sa mbola ho asiana fampiandrasana ora maro dia mba amin’ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe «suspense» na dia efa fantatra izao aza fa nilatsaka dia nilatsaka ny fahalinan’ny vahoaka malagasy izany atao hoe politika eto Madagasikara izany? Inona moa izany no azo antenaina amina governemanta heverina ho tara fitsanganana satria iaraha-mahalala fa 72 ora aorian’ny fanendrena praiminisitra no tokony hahavoatendry ireo minisitra hikambana anatin’ny governemantan’izany praiminisitra izany ho an’ny firenena maneran-tany manaja ny soatoavina repoblikanina? Tsy efa naman’ny tara fanombohana asa ihany ve izany ireo minisitra ho voatendry, izay ho voatery hanaraka am-bokony fotsiny ny vina tsy niarahan’izy ireo namolavola akory tamin’ny filoham-pirenena sy praiminisitra nanendry azy ireo? Maro ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao ankehitriny ary heverina fa manahirana ihany ny miheritreritra ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena sy adihevitra politika eto amin’ity firenena ity raha toa ka ny teo ihany tokoa no mbola ho eo ao anatin’izao lazaina fa governemanta vaovao izao. Governemanta volamena, araka ny vazivazy zaritenan’ny mpanao politika sasany tokoa ve no hitsangana sa governemantana bizina politika na governemantan’ny tsy fahombiazana hatrany? Inona no tena anton’ilay fahataran’ny fanendrena sa efa tafiditra ao anatin’ny fanandramana ny maha governemantan’ny fahagagana na «miracle» ireo voatendry daholo izany?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT