Politique

Governemanta tsy mety terakaFanjakana tena milalao fiainam-bahoaka…


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2024

Ao anatin’ny fanaovana tombana na «évaluation» ireo minisitra efa teo, ankehitriny,

ny tenako sy ny praiminisitra, hoy ny filoham-pirenena malagasy, Andry Nirina Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo. 1 volana mahery izany tsy vita tombana ihany ny governemanta efa tsikerain’ireo mpandinika sy mpanao politika ary mpanara-baovao maro fa sady efa lany daty no mbola sady tsy nahavita azy. Tombana tahaka ny ahoana izany ilay atao ao anatin’izao fandaharan’ny sehatra iraisampirenena toy ny FMI sy ny banky iraisampirenena ny laharana misy an’i Madagasikara izay any amin’ny farany aoriana indrindra izao na eo amin’ny lafiny ara-toekarena io na fampandrosoana ankapobeny mihitsy? Tsy efa miharihary ve ny fahapotehan’ny lalana manerana ny nosy sy ny fijalian’ireo mpampiasa izany lalana izany? Tsy efa miharihary ve ny tsy fahitàna vahaolana momba ny JIRAMA na ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fahatomombanana maro samihafa na eo amin’ny lafin’ny fitaterana io na lafiny tsy fandriampahalemana? Ny harem-pirenena ireny mbola mitohy tafiondrana an-tsokosoko, efa any amin’ny firenen-kafa foana vao fantatra hoe tafavoaka teto. Tsy hoe mpikambana vaovao mahavita fahagagana na mirakla mihitsy ve moa ilay ho karohina atao minisitra sa ho marina ihany izany ny tomban’ny mpanara-baovao sasany hoe ireo miisa 7 niova andraikitra rehefa avy lany depiote sy lasa filohan’ny COI na kaomisionin’ny ranomasimbe indianina ihany no ho soloina? Inona izany no tombana mikasika resaka olona mbola tokony ho atao amin’izao vokatra miharihary efa fantatr’izao tontolo izao fa niteraka fahantrana lalina ho an’ny firenena izao? Efa tena reraka izahay, mila vahaolana, saingy toa mpitondra fanjakana mandeha lava any ivelany sy mibikabika etsy sy eroa no hitanay, hoy ny ankamaroan’ny olom-pirenena tsotra izay nakana hevitra. Izany ve tsy tena filalaovana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena , hoy izy ireo . efa tena mihatra aman’aina ny fahasahiranana amin’izao fotoana fampidirana mpianatra izao fa dia mbola hoe manao tomban’ezaka aloha ry zareo ao an-dapa. Mahavalalanina a .
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT