Hisy vanim-potoana fialan-tsasatra ho an'ny Governemanta manomboka ny 21 Aogositra
ka hatramin'ny 01 Septambra 2025, araka ny tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny alarobia 20 aogositra 2025 lasa teo, izay nambara fa ao anatin'ny fandaminana ny asan'ny Governemanta ihany koa. Namafisina manokana tamin’ny alalan’ny Serasera navoakan’ny Fiadidian’ny Repoblika io omaly. Nambara fa hifandimby ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta mandritra izany mba hahazoana antoka fa mitohy araka ny tokony ho izy ny raharaham-panjakana sy ny fandraharahana rehetra eny anivon'ireo sampandraharaham-panjakana. Voafaritra araka izany ny fandaharam-potoanan'ny fifandimbiasana. Ireo minisitra miadidy ny fitandroana ny filaminana sy ny fiarovana kosa dia mijanona eto an-toerana mandritra io vanim-potoana io noho ny andraikitra lehibe sahanin'izy ireo amin'ny fiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ny vahoaka, hoy ny filazam-baovaon’ny Fanjakana. Ny governemanta aloha izany afaka miala sasatra soa aman-tsara rehefa avy nikifetifety, nanao filankevitry ny minisitra nitety faritra izay tsy hita izay vokany, nandray ny fivorian’ny SADC,… Ny vahoaka kosa tsy misy fitsaharana izany, fa lanaky ny fitadiavana, reraky ny krizy vokatry ny tsy fahaiza-mitantana,… saingy tsy afaka miala sasatra satria ny hoanina androany tadiavina rahampitso. Sahirana noho ny vidim-piainana, sahirana amin’ny fampidirana mpianatra,… Dobo ao anaty fahantrana, tsy fananan’asa, vidim-piainana midangana,… noho ny tsy fahombiazan’ny politikam-panjakana, tsy fahaiza-mitantana. Mijery an’io seraseran’ny governemanta io izay mamaritra fa tsy afaka miala lavitra ireo minisitra miadidy ny fitandroana ny filaminana na ireo be bokotra moa izany. Lzaina fa fiarovana ny vahoaka saingy tsy tena izay rehefa tena dinihina, fa toa midika sy manondro fa ny fifehezana ny mety ho fanohintohinana ny Fanjakana, hetsika politika mety hanozongozona ny fitondrana,… no tena sokajian’ny Fanjakana Rajoelina ho stratejika sy manan-danja indrindra. Ny lafin-javatra maro tena iankinan’ny fiainam-bahoaka sy hahafahana miady amin’ny fahantrana kosa ambanin-javatra. Ny seza sy fahefana no ambony indrindra fa izay resaka fanalana ny Malagasy ao anatin’ny fahantrana tena tsy hita taratra. Fampianarana potika, toekarena ambony ambany, fampanan’asa poakaty, angovo sy herinaratra zava-doza, ady amin’ny kolikoly tsy mahomby,… Saingy mila miala sasatra ny mpitondra ka asa hoe : sasatra tamin’ny inona ? Sasatra tamin’ny tsy fahombiazana sy ny fampahantrana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.