Politique

Governemanta sy ny tetikasa IEM Hisy ampahany ho vita raha teknisianina no eo


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Naneho ny heviny mikasika ny firafitry ny governemanta vaovao, Atoa Feno mpandinika ny raharaham-pirenena, ary nambarany,

 

 

 fa  raha olona mahay sy tekinisianina no ao anatin’izany, dia hahita vokatra tsara isika ary misy ampahany amin’ny Iem sy ny Tanamasoandro ho vita, fa tsy izy rehetra akory, fa raha mbola mpanao politika hatrany no eo dia tsy hahita vokatra amin’izany isika. Tsy jerena firehana politika ny fanendrena mpikambana ao amin’ny governemanta, hoy izy.  Nanambara ihany koa i Riribe, mpanao politika, fa nilokaloka tamin’ny vahoaka Malagasy atoa Andry Rajoelina, fa hanatanteraka ny Iem faran’izay haingana miaraka amin’ny mpamatsy vola. Fito volana izay no lasa, fa miandry an’izany foana ny vahoaka hatramin’izao. Manonofy ny any Toamasina miandry ny Miami. Manonofy ny any Mahajanga, fa hanana tanàna maha te honina. Manonofy ny ray aman-dreny any ambanivohitra fa hahazo trano sy sekoly manara-penitra. Manonofy ny tanora, fa hahazo asa ary hahita fivelomana tsara. Manonofy ny eto Antananarivo, fa hahazo ny tanàn-dehibe sy Tanamasoandro. Io praiminisitra Ntsay Christian io no hahatanteraka ireo nofinofy ireo faran’izay haingana, hoy hatrany ireto mpanao politika sy mpandinika ny raharaham-pirenena ireto.

 

Sitraka r. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT