Governemanta saro-piterahana

Manamafy ny krizin’andrim-panjakana


  • Alatsinainy 29 Jolay 2024

Miandry ny dian’ny Filoha niatrika ny fanokafana ny lalao olaimpika tany Lafrantsa izany

ny fananganana ny governemanta sa haka tahaka an’i Macron hoe : tsy hanangana governemanta mialohan’ny fahataperan’ny lalao olaimpika ? Tsy mbola nisy toromarika ofisialy aloha ny fandefasana CV eny Iavoloha na Ambohitsorohitra, na dia nisy aza ny olona iray manao serasera ho manohana ny fitondrana nanatitra CV andro vitsy lasa izay fa te ho minisitra. Ireny efa mamoaka ireny ny olon’ny fitondrana, fa toa sarintsariny fotsiny ihany ny fanangonana CV, raha raisina amin’ny tenin’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha izay lasa depiote Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle, fa tsy nangataka hatao Praiminisitra sy tsy nangataka hatao Filohan’ny Antenimierampirenena, tsy nandefa CV hatao Minisitry ny fanabeazam-pirenena,… fa tsy izy no mangataka toerana fa ny toerana no mitady azy, ary ny Filoham-pirenena no misafidy. Rera-poana ireo manatitra ny mombamomba azy fa efa mipetrapetraka ny olona hotendrena ve ? Nahoana anefa no mitarazoka sy miitatra toy ny sima misioka ? Hafiriana ny fanaovana tombana ireo minisitra sa sinema fotsiny toy ireo nolazaina hatramin’izay fa hisy tombana isaky ny 6 volana kanefa tsy hita izay vokatra ? Ny 03 aogositra izao no re fa mety hitsanganan’ny governemanta ka andrasana izay ho fivoakany !

FOMBAFOMBA FOTSINY NY PGE…
Voafaritra fa iray volana aorian’ny fanendrena azy no manolotra ny Programa ankampoben’ny Fanjakana ny Praiminisitra ary lojikan’io dia iarahan’ny governemanta mamolavola satria ireo no hanatanteraka azy. Ny 10 jolay no voatendry ny Praiminisitra, izany hoe : 10 andro mahery kely sisa. Efa roatokombolana ihany koa izao no nametra-pialana ny governemanta izay midika fa governemanta tsy ara-dalàna no misy amin’izao, fa mpanao fampiodinan-draharaha fotsiny. Inona no tena olan’ny Fitondrana tsy nahavitana nanangana governemanta tao anatin’ny fotoana fohy kanefa nihazakazahana ny nanendry Praiminisitra roa andro taorian’ny fametraham-pialana ? Henjana ny tsindry avy amin’ireo hery ara-politika sy ara-toekarena manodidina ny Filoha ka tsy afa-manoatra ? Manamafy ny krizin’andrim-panjakana !

SARINTSAIM-PANANGONANA CV…
Sary efa nitranga teto hatramin’ny nisian’ity Fitondrana ity anefa ny fanaterana CV tamin’ny resaka fananganana governemanta tany aloha, izay nampiharihary fa tsy nivonona ara-politika sy arak’olona fa ny naka fahefana no naha mainka dia iaraha-mahita mandrak’ankehitriny ny vokany. Efa nisy fanangonana CV ho an’izay te hotendrena ho ambasadaoro tamin’ny andron’i Patrick Rajoelina Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha izay nahangonana 303 fa tsy nisy na tamingana ambasadaoro voatendry fa ireo azo isaina amin’ny rantsan-tànana efa teo ihany no eo. Nandeha indray ny fanangonana CV ho an’izay te ho sekreteram-panjakana ka nahatratra 800 tany ho any ny voaray, fa mandrak’ity ny androany iray ihany no voatendry. Fisehosehoana ny betsaka, fa ny tena famahana ny olana marary ny firenena tsy hita taratra. Nisy tokoa ny fifantenana tamin’ny alalan’ny CV, saingy toa natao sorona ny sasany tamin’ireo olon’ny governemanta nofantenana tamin’ny alalan’ireny. Betsaka ny mety maniry hitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’ny Firenana saingy tsy afa-manoatra rehefa tafiditra ao anatin’ilay rafitra volomboasary, ary izay ampahany vitsy mety tafiditra ao dia tsy maintsy manaraka volon-tany, raha te ho tafajanona. Maro ihany koa anefa ny tsy te hanimba tena ao anatin’izao fitondrana izao. Vokany, tsy tena voatrandraka ireo manam-pahaizana Malagasy, ka mahatonga an’ilay hoe : « fuite de cerveau » hany ka ny hafa no misitraka ny mamy avy aminy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT