Politique

Governemanta Ny teo ihany no naverina


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Tsy nisy fiovana firy ireo mpikamban’ny governemanta izay voatendry omaly takariva, fa ny teo ihany no naverina.

 

Ny  minisitry ny fampianarana ambony ihany no niova, ka notendrena ho eo amin’izany toerana izany ny Pr Blanche Nirina Richard, manampahaizana momba ny toekarena raha toa ka ny Pr Rejo Félicité Fienena no nitana io andraikitra io teo aloha. Naverina ho minisitra araka ny resaka sy efa nandeha sy ny fangatahana niainga avy eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ireo minisitra teo aloha nirotsaka ho depiote, ka dia Rtoa Naharimamy Irmah izay niverina ho minisitry ny mponina ary naverina hitantana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena kosa Rtoa Volahaingo Marie Thérèse. Nambaran’ny Sekretera Jeneraly lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika Atoa Dina Andriamaholy nandritra ny famakiana ny didim-panjakana fa nampiarahana tamin’ireo minisitra tamin’ny fanendrena tamin’ny volana janoary ny drafitra tsy maintsy arahina mba hifanaraka amin’ny velirano nataon’ny filoha sy ny fandaharan’asa IEM, ary ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Narafitra hifanaraka ireo telo ireo, indrindra ny tetibolam-panjakana. Napetraka ny fanamby sy ny tanjona hifanaraka tamin’izany. Vita ny 6 volana voalohany, ka natao nandritra ny 3 andro ny dinika sy ny fandrefesana ny zava-bitan’izy ireo. Mbola hisy ny 6 volana faharoa hijerena ny fahavitana na tsia ny tanjona napetraka tamin’ireo minisitra, ka izay izany no porofo hoenti-manamarina ny famerenana amin’ny toerany ireo minisitra maro be. Andrasana izay ho fanehoan-kevitra mahakasika io satria maro ny fangatahana sy fitakiana, toy ny fivoizana fitsinjarana ara-paritra, nisy ireo depiote nandefa anarana na avy amin’ny IRD na ny tsy miankina. Mety efa nisy ihany koa anefa ny fifandresen-dahatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT