Politique

Governemanta Ntsay Misy Minisitra mifampisalovana andraikitra


  • Talata 20 Desambra 2022

Voamarika tato ho ato fa manaraka akaiky izay alehan'ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny asa na dia ataony any ivelany ny Minisitry serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy.

Mampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao ny anjara toerana sy asan'io Minisitra io amin'ireny dia ataon'ny Filoha ireny. Toa izy no tompon'antoka amin'izay fihaonana na fivoriana na fifampiresahana any ivelany rehetra any. Fa aiza ny Minisitry ny raharaham-bahiny, na dia mbola mpisolo toerana aza. Voahilika ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ve sa tsy ananana fitokisana intsony sa tsy mahafehy ny asa amin'ny maha Minisitry ny raharaham-bahiny azy ? Tokony handinin-tena ihany raha miaramila be galona faratampony tahaka ireny no salovanin'ny Minisitra mbola zandriny lavitra, na amin'ny arofenitra aza, ny asa tokony hataony. Porofo mitohoka amin'ny tenda ireny fihaonana "Afrika-Amerika" niarahana tamin’ny Filoha amerikana Joe Biden farany teo tao amin'ny Maison Blanche ireny. Ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy izany no naharesy lahatra ny Filoha Rajoelina, miohatra amin’ity Minisitry ny Fiarovam-pirenena, misahana vonjimaika ny raharaha-bahiny ity ? Mampiahiahy rahateo ny fifanandrifian'izany amin'ny raharaha nafampana teo amin’ny Governemanta sy ny solombavambahoaka. Tsy misy fifampitokisana ve izany amin’ireo samy mpikambana ao anaty Governemanta ary misy ny omena tombony manokana ? To-teny kokoa amin'i Andry Rajoelina ve i Lalatiana Rakotondrazafy, ary mahay ny asany ve ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Léon Richard eo amin’ny tontolon'ny diplaomasia ?
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT