Politique

Governemanta Minisitra valo hosoloina


  • Alatsinainy 30 Novambra 2015

Hiverina an-tanindrazana anio ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ravelonarivo Jean,

 

 rehefa nitsabo tena nandritra ny roa herinandro tany Frantsa. Efa eto an-toerana hatry ny alakamisy ihany koa ny Sekretera jeneralin’ny governemanta, Zafinandro Armand, rehefa avy nitsabo tena tatsy amin’ny nosy La Réunion nandritra ny roa herinandro ihany koa.

Voalaza fa samy efa vonona handray ny asany eny Mahazoarivo ireto tompon’andraikitra ireto anio. « Anatin’ny tanjaka ara-pahasalamana avokoa izy ireo ary dia hihazakazaka ny asan’ny governemanta manomboka eto », hoy ny mpanolotsaina manokana iray eny Mahazoarivo sendra ny Tia Tanindrazana. « Hiborotsaka eo avokoa ny sarontavan’ireo efa nanao kajikajy ho praiminisitra », hoy hatrany ny loharanom-baovaonay. Voatonona tao anatin’izany ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao, ny minisitry ny fiompiana Ramparany Anthelme, ny Tale jeneralin’ny Air Madagascar teo aloha, Ratsiferana Hugues, ankoatra ilay kolonelin’ny zandary R. Angelot, voatonona anarana elaela izay.

Hanao ahoana ny ho fifandraisan’ny praiminisitra amin’ireo minisitra ao anatin’ny governemantany nitsiriritra ny toerany ? Ny azo antoka dia harisarisa ny fifandraisana anatiny eo anivon’ny governemanta. Inona no hitranga ato anatin’ny tapabolana ? Ho tapitra amin’ny 17 desambra 2015 rahateo ny zato andro andiany faharoa nanaovan’ny minisitera isan-tokony fanamby amin’ny asa hotratrarina, ka hanaovana tombana ny asa vitan’izy ireo. Mandra-piandry izay aloha dia efa mandeha ny feo fa misy minisitra valo mety hosoloina. Voalaza  aza fa ireo mpamatsy vola mahazatra an’i Madagasikara mihitsy no mitaky ny hanesorana azy valo ireo fa midororororo fotsiny tsy mamokatra.

Mikasika ny praiminisitra indray dia telo andro ihany no tany amin’ny hopitaly, araka ny fanazavana azo tamina mpanolotsaina iray ao Mahazoarivo. Tsy ny Fanjakana manontolo no nizaka ny saram-pitsaboany nandritra ny nijanonany tany Frantsa, fa manana «assurance» izy, hoy hatrany ny fanazavana. Nanamafy io mpanolotsaina io fa niasa ary nihaona tamina tompon’andraikitra rosianina sy mpandraharaha samihafa toy ny amin’ny sehatry ny solitany ny praiminisitra tany. Andrasana ny tatitra hataony na fampitam-baovao ofisialy avy eny amin’ny Primatiora mikasika ny tsy naha teto an-toerana ny praiminisitra sy ny Seketera jeneraliny.

Légende:Minisitra 8 be izao no mety ho soloina

Jean D.

Ragasy : Rehefa tsy hanao serasera ianareo ao an-dapa ao, dia ny hafa no manao ny serasera eo amin’ny toeranareo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT