Politique

Governemanta Minisitra maro hoesorina…


  • Talata 16 Jolay 2019

Enim-bolana afaka 3 andro no nitondran’ny filoha Rajoelina ny firenena.

 

                          

 

Tamin’ny fitsanganan’ny governemanta no nilazany fa hisy ny tombana hatao, ka dia miandry izay isika izao. Miainga amin’izany mantsy no hitazonana na tsia ny minisitra iray. Manomboka anio rahateo ny fivoriana manokana voalohan’ny antenimieram-pirenena hananganana ny Birao maharitra. Mety hisy ny fikitihana ny praiminisitra sy ny governemanta avy eo ho fampiharana ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana. Nisy rahateo ny fahabangan-toerana tao anatin’ny governemanta noho ireo minisitra roa nirotsaka ho kandida depiote. Re siosio fa ny iray mety haverina ho minisitra, ary ny iray mety hapetraka ho filohan’ny antenimieram-pirenena na mpikamban’ny birao maharitra. Maro ny minisitra toa tsy re tsaika sy tsy re feo mikasika ny asa vitany sy ny zavatra ataony satria na ny olom-pirenena aza misy tsy mahalala azy ireny sy ny toerana tazoniny Ao indray no toa sasatry ny manao hadisoana sy miala bala amin’ny tsy fahombiazana. Tsy afaka ny hiteny isika hoe: tena tsy niasa ny fanjakana satria nisy ny zavatra nataony, toy ny fampitaovana ny mpitandro filaminana. Nanjakan’ny zavatra tsy mangarahara sy mampiahiahy anefa ny fomba fitantanana, toy ny loharanon’ireo fitaovam-piadiana, izay tsy voafaritry ny resaka tetibolam-panjakana. Azo eritreretina ve fa tao anatin’ny 6 volana monja dia nahangona ny volabe tamin’ireny ny fanjakana, kanefa mametraka ny rafitra sy ny fototra aza tsy vita, toy ny fanendrena tompon’andraikitra ara-panjakana ambony, fametrahana lehiben’ny faritra, fanendrena masoivoho any ivelany,… Ny serasera sy ny seho ivelany no betsaka. Natao nipoapoaka ny serasera momba ny vidin-tsolika fa nisy fiantraikany tamin’ny vidim-piainana ve ? Nidina ve ny saran-dalana ? Ny vidin-jiro ? Ny delestazy aza niverina, ny vary mora dia ny serasera no betsaka ary natao fitaovana tamin’ny fifidianana depiote,… Takon’ny Barea sy ny CAN ny lesoka rehetra eto amin’ny firenena, saingy manomboka miverina amin’ny laoniny indray izy izao. Mety ho toe-javatra hahafaha-mamily ny saim-bahoaka ny fanovana praiminisitra na mpikamban’ny governemanta.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT