Governemanta

Minisitra 2 vavy maika ery hampandany an-dRajoelina


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Minisitra 2 ao anatin’ny governemanta hatreto no nanambara ofisialy fa nametra-pialana

fa hanao fampielezan-kevitra.Minisitra vehivavy avokoa izy ireo. Omaly alatsinainy no natao veloma tetsy amin’ny toeram-piasany etsy anosy i lalatiana Rakotondrazafy ,minisitry ny serasera sy ny kolontsaina teo aloha satria nametra-pialana fa hanao fampielezan-kevitra ho fampandaniana an’i Andry Rajoelina. Nanara-dia azy ihany koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrimalala, rehefa avy nitantara ny fiainany sy ny nambarany fa fanenjehana nahazo ny fianakaviany tamin’ny 2002 dia nilaza fa hiala tsy ho minisitra intsony satria hanao fampielezan-kevitra. Manohana an’i Andry Rajoelina ihany koa. Anisan’ireo andriambavilanitra tena akaiky ny filoham-pirenena teo aloha izy miraharavavy ireto satria ny iray dia efa mpiara-dia nanomboka tamin’ny 2009 ary ny faharoa kosa dia efa tale misahana ny lafiny lalàna teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Samy nitana minisitera saropady ary mieli-patrana manerana ny nosy izy ireo ary anisan’ny nandrenesana fimenomenomana sy fitarainana noho ny fampidirana ny politika amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka isian’ny tsindry bokotra sy ramatahora ho an’ireo tsy manaiky ny teny midina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT