Politique

Governemanta hifantoka amin’ny fifidianana “Atahorana ny fipoahana sosialy”


  • Talata 24 Janoary 2023

Zava-dehibe ny hisian’ny fifidianana anaty mangarahara tanteraka amin’ity taona ity, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Apetraka eo am-pelantanan’ny fitondrana ny fikarakarana izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, satria aza adino fa misy ny mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana. Raha sahirankirana mikarakara ny mialoha ny fitondrana dia ahoana moa izany ny ho tohiny? Mila hamafisin’ny fitondrana ny fikarakarana ny pitsopitsony rehetra ny mialohan’ny fifidianana. Efa voizina any an-jorony ihany koa izao ny fanovana governemanta. Misy toerana banga rahateo ny minisitera sasany ka miankina amin’ny filoham-pirenena manokana ny hanatanterahana an’izay. Mikasika ireo nosy miparitaka na “iles éparses” izay isany nimatimatesan’izao fitondrana izao ny fitakiana azy dia nangingiana izany tao anaty fotoana lavalava. Ny masoivoho frantsay eto Madagasikara izao no nametraka izay tambonin’ny latabatra anio (TTF: omaly). Resaka jeopolitika sy jeostratejika io satria matetika rehefa akatoky ny fifidianana toy izao dia tsy maintsy mijery ny fifandanjan-kerin’ireo firenena miara-miasa akaiky amin’I Madagasikara ka mety izay indray angamba no antony ivoahan’ity resaka ity mba hijerena ireo kandida afaka hiara-hiasa akaiky amin’ireo firenena miara-miasa amin’I Madagasikara. Ny fivoaran’ny fotoana moa no ahitantsika an’izay. Be dia be, ohatra, ireo kandida miara-miasa akaiky amin’ny frantsay fa eo koa ireo miara-miasa akaiky amin’ny firenena tantsinanana. Efa hita taratra ny firotsahan’izy ireo an-tsehatra amin’izany fanomanana fifidianana izany. Ho hita eo moa ny firafitry ny governemanta vaovao, raha hisy, hoe hifantoka amin’ireo olana ara-tsosialy mianjady amin’ny firenena ankehitriny ve sa ho amin’ny fampandaniana ny filoham-pirenena indray. Ny sosokevitray dia hoe be dia be izao ny olana sosialy eto amin’ny firenena, raha tsy hiresaka afa-tsy ny lalana izay avokavoky ny toekarena eto Madagasikara, mampiahiahy ny ahafahana mitondra vahaolana mikasika satria anaty fotoam-pahavaratra isika. Fotoanan’ny main-tany no fanamboaran-dalana, hoy ny tekinisianina. Atahorana ny fipoahana sosialy noho izany raha toa hifantoka amin’ny fifidianana ny governemanta, hoy hatrany ny Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT