Politique

Governemanta Beriziky Camille Vital no ho minisitry ny foloalindahy ?


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Nisy fihaonana tampotampoka teo amin’ny Praiminisitra teo aloha, ny Jeneraly Camille Vital sy ny Praiminisitra vao voatendry Omer Beriziky omaly.

 Teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha izany no notontosaina. Raha ny vaovao azo mahakasika an’izany dia misy ny “consultation” nataon’itsy farany an’iry voalohany. Izany dia mahakasika ny mety hanendrena ny Jeneraly Camille Vital ho minisitry ny foloalindahy, raha araka ny fijerin’ny mpanara-baovao ihany. Na izany aza anefa dia nisy feo nandeha koa fa ny Jeneraly Camille Vital no nampiantso an’i Omer Beriziky. Raha izay no izy dia mety ho nisy indro kely na fanampim-panazavana teo amin’ny famindram-pahefana. Tsy nisy nipika aloha hatreto izay resaka nandeha tao saingy nanaitra ny maro kosa ity fifanatonana omaly teo amin’ny praiminisitra teo aloha sy vaovao ity. Raha tsiahivina kely dia isan’ny nilaza fa voafitaka ny Jeneraly Camille Vital rehefa nolazaina fa tsy afaka mandray anjara ho kandidà praiminisitra ny miaramila, mahakasika ity governemanta vaovao ity izany. Nanetry tena niala izy kinanjo nisy tampoka indray ny kandidà miaramila, eny fa na dia efa nisotro ronono aza, tao anatin’ny mpifanandrina. Nanomboka nampiaka-peo izy saingy vetivety dia nilamina ihany. Asa na mba ho fitsinjovana izay lesoka miendrika fitaka izay no mety hanomezana azy toerana eo anivon’ny governemanta Beriziky.
Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT