Governemanta banga

Raikitra indray minisitra kivonjivonjy maika !


  • Zoma 19 Aprily 2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

ao amin’ny didim-panjakana laharana faha-2024-020 tamin’ny 14 janoary 2024 nanendry mpikambana ao amin’ny Governemanta, ary mametraka ny fandaminana ireo Minisitra mpisolo toerana, araka ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Io no mamaritra ny fahabangan-toerana ao anatin’ny governemanta noho ny fisian’ireo Minisitra 7 nametra-pialana satria kandida ho solombavambahoaka. Noho izany, nampisahanina ny Minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ny Minisitry ny atitany. Stratejika be io ary matetika adminisitratera sivily no mitantana ny atitany, saingy tsy izay aloha izany no mitranga eto. Nampisahanina ny Minisitry ny rano kosa ny Minisiteran’ny fampianarana ambony; ny Minisitry ny fahasalamana no miantsoroka ny fanabezam-pirenena ka asa hoe: mifanjohy ve izany? Ny Minisitry asa no miantsoroka ny Minisiteran’ny fampianarana teknika; ny Minisitry ny raharaham-bahiny no miantsoroka ny serasera; ny Minisitry ny fitsarana no miantsoroka ny Minisiteran’ny mponina; ny minisitery ny fitaterana no miantsoroka ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Midika aloha io izany, fa dia miaina amin’ny minisitra kivonjivonjy maika, fa tsy nisy fanoloana ireo toerana banga. Mariky ny fanaovana kilalao sy kobay ny fitantanana firenena. Misy olona miandraikitra aza mbola betsaka ny zavatra tsy mandeha tsy vita, ary ny asa sahan’ireo minisitra mbola nampisahanina ireo banga aza mbola betsaka ny lesona mainka fa hanenjika bitro roa? Ny kajy politika aloha no maika, fa izay rafi-pitantanana tsy mandeha amin’ny laoniny any tsy dia olana loatra, fa dia samy manao izay maha diavolana ny sainy eo. Endrika maneho ihany koa fa tsy tena manana olona azony antoka sy ampy traikefa ny fitondrana ka ny tonta ihany no avadibadika eo, tsy mahatoky tena ara-politika ka minisitra no atao kandida mba hanaovana ampihimamba ny seza sy fahefana, hitadiavana zo tsy azo enjehina hialokalofana,… Firenena inona no handroso amin’izao kivonjivonjy tavanandro sy tsy fahamatorana politika sesilany izao?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT