Governemanta ara-dalàna tsy mbola tafatsangana

Mitombo ny kitoatoam-pitantanana manara-penitra


  • Talata 23 Jolay 2024

Hiditra tapa-bolana ny fametraham-pialan’ny governemanta, saingy ny Praiminisitra

ihany aloha no efa voatendry, raha toa ka mpanohy ny fampandehanan-draharaha ny ambiny. Sambany teo amin’ny tantara ny fisiana minisitra mpisolo toerana nisolo ireo hafa nirotsaka ho depiote, saingy minisitra efa nametra-pialana ihany koa rehefa nisy ny fametraham-pialana faoben’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra ny 10 jolay lasa teo. Ny Filoham-pirenena nilaza fa tsy hirotorotoana ny fanendrena, fa mbola hisy ny tombana hataony amin’ireo Minisitra. Amin’io volana aogositra ho avy io vao hitsangana ny governemanta raha ny loharanom-baovao tsy ofisialy. Dia aiza ho aiza ilay teny tany Toamasina nialohan’izany ilay hoe : hafainganina ny fampandrosoana ary tsy afaka hiandry izay tsy afaka? Ny lalàna ihany koa no mamaritra fa tsy maintsy manolotra ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na PGE ny Praiminisitra ka asa hoe : ka handeha alohan’io sa aorian’izay ny fanendrena mpikamban’ny governemanta ? Ny Praiminisitra samirery no hamolavola an’io sa ny governemanta izay hiara-hanatanteraka azy ? Mampiharihary ny fananan’ny Fanjakana olana ara-politika ny zava-misy, izay tsy avy aty ivelany fa avy ao anatiny. Ny olana maro sosona mifandraika amin’ny toekarena sy sosialy mitombo isan’andro, saingy tsy maharototra firy intsony ny Fitondrana. Zary efa fombafomba sisa ny fanolorana PGE, ny fampanantenana isaky ny miodina, ny fihetsiketsehana sy ny seho ivelany,… fa ny Firenena miha rendrika andro aman’alina, fa tsy arakaraka ny kajikajy politika hangoronana seza sy fahefana. Samy miandry ny governemanta amin’izay ho endriny vaovao eo izany, fa hatreto aloha dia toerana miisa 7 no nisy fahabangana noho ny fandefasana ny olon’ny governemanta ho kandida depiote. Ny iray tamin’ireo ihany no tsy lany, ny 3 no lasa birao maharitry ny Antenimierampirenena. Firy no mety haverina ho Minisitra ? Tsy misy mahafa-po ve ireo CV nangonina hatrizay ? Betsaka ny endrika tsindry amin’ny fametrahana sy fisafisianana ireo mpikamban’ny governemanta. Mandeha ny tsindry samihafa, manomboka manamafy ny seraserany ny Minisitra samihafa fa tena niasa sy nahavita zavatra. Ny fitantanan-dRajoelina angamba no nahitana fikitikitihana sy fanovana governemanta im-betsaka indrindra teo amin’ny tantara, izay endrika maneho fa tsy niomana ara-pitantanana, fa niaina tamin’ny kitsapatsapa sy vonjy tavanandro, hany ka lany andro miodinkodina sy manova eo fa tsy hita izay olana. Governemanta faharoa tao anatin’ny 6 volana sahady no ho avy eo taorian’ny fandraisan’i Andry Rajoelina fahefana tao anatin’izao taom-piasany faharoa izao, ary efa fanindiminy notendrena ny Praiminisitra Ntsay Christian nanomboka ny 2018. Dia hisy fahagagana azo antenaina ve aoriana eo anatrehan’izany ? Aorian’ny fitsanganan’ny governemanta, dia ny fifidianana ben’ny tanàna indray no kajy sy baiko politika manaraka sy handaniana rondoha sy hanaovana sehoseho ivelany, hiverenan’ny fizarazaran-javatra,… mba hanakonana ny tsy fahombiazam-pitantanana. Dia inona no fampandrosoana antenaina amin’izany ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT