Politique

GJMR Miantso fampihavanana an’ireo filoha telo sy Rajoelina


  • Alarobia 12 Oktobra 2011

Manohana ihany koa ny fampihaonana ireo filoham-pirenena telo voafidy ara-dalŕna sy ny filohan’ny FAT ny GJMR izay vondrona fikambanana tanora manohana an’i Marc Ravalomanana.

 Fotoana hamitranam-pihavanana amin’izy efatra mirahalahy mianaka io fihaonana io izay tontosaina eo ambany fiahian’ireo raiamandreny ara-drazana avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ary atao imasom-bahoaka ihany koa raha ny fanirian’ny GJMR. Marihina fa nanao sonia ny taratasy fanohanana ny tondrozotra ity vondrona ity ka mitaky ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra atrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny fametrahana ireo rafitra sy andrimpanjakan’ny tetezamita. Mahatsapa mantsy izy ireo fa misy hatrany ny fanilihana mihatra amin’ny vondrona sasany amin’izao fotoana. Manameloka ny fepetra raisin’ny FAT izay mifanohitra amin’ny fametrahana ny fitoniana koa ireto tanora ireto ka nosinganiny manokana ny famoahana didy fampisamborana ny filoha Marc Ravalomanana. Takian’ny GJMR koa ankoatra izay ny fanokafana ireo haino amanjery rehetra nakaton’ny FAT mba tsy ho feo iray ihany no ho henon’ny vahoaka Malagasy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT