Araka ny loharanom-baovao avy amin’ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika dia efa tonga etsy amin’ny CENI-T avokoa ankehitriny ny 60%n’ireo voka-pifidianana avy ain’ireo biraom-pifidianana manerana ny Nosy ka omaly alatsinainy 23 desambra antoandro dia nitarika mazava tamin’ny salan’isa 55% ny kandidà Robinson Jean Louis, hoy Atoa Gilbert Raharizatovo minisitra taloha tamin’ny fitondrana FAT raha nivahiny tamina radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra omaly. Koa satria, hoy izy, efa ireo birao nahazoam-bokatra ireo no anisan’ny be mpifidy indrindra eto Madagasikara dia tsy azo inoana fa mbola hisy irika hahazoan’ny kandidà Hery Rajaonarimampianina handresy. Tsy isika Malagasy irery no manaraka an’ity valim-pifidianana ity fa izao tontolo izao mihitsy, hoy izy, ka sarotiny avokoa ny rehetra amin’izay miseho. Tokony atao ao anatin’ny mangarahara tanteraka, araka izany hoy ihany izy, ny fandinihana an’ireo PV na antontan-taratasy voarain’ny CENI-T sy ny CES ary tokony hirosoana koa ny fampitahana ny vokatra azo rehetra mba hialana amin’ny savorovoro mety hitranga. Araka ny nambaran-dry zareo, hoy ihany Gilbert Raharizatovo, dia manameloka tanteraka ny antsojay atao amin’ny kandidà filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany ka nanapa-kevitra ny nanohana kandidà tafita tamin’ny dingana faharoa tahaka an’i Jeneraly Camille Vital izay sakanana tsotra izao tsy hahazo hivezivezy malalaka any ivelany, ny Vondrona iraisam-pirenena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.