Politique

Gidragidra politika Potehina tanteraka Antananarivo…


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Mandeha ny serasera samihafa hoenti-manaratsy sy manamavo tanteraka an’i Marc Ravalomanana mivady eo amin’ny sehatra ny politika amin’izao fotoana izao.

 

Manao ranolava ny fiezahana manome endrika ratsy an’i Lalao Ravalomanana amin’ny fitantanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ezahina finganina amin’ny lafiny maro ka mandeha ny serasera samihafa saika isan’andro ilazana fa tsy mandeha araka izay laoniny fitantanana ny kaominina. Ireny no avadika ho fitaovana ara-politika hoeti-maneho fa tsy mahavita azy ny ben’ny tanàna sy ny antoko niaviany. Ny antsojay samihafa anefa mandeha ihany toy ny fitaterana ny fako, izay anjaran’ny minisiteran’ny rano saingy iniana havela hivangongo mba hanaratsy endrika ny kaominina, kanefa ny SAMVA no eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny rano no tokony hitaona azy. Eo no mampametra-panontaniana hoe: hatao sorona mandrakariva noho ny tsy fitovian-kevitra politika ve ny renivohitr’i Madagasikara ? Vao ny alarobia 7 aogositra teo ny filoha no nilaza hoe tiantsika hadio sy milamina ve Antananarivo ? Tsy misy angamba olona hiteny sy hanohitra izany. Efa karazana hafatra sy toromarika io milaza hoe: fidio ny olona miaraka sy atolotry ny antokon’ny fitondrana raha hahita mangirana. Tsy tokony hatao sorona noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika anefa ny renivohitra, ary mila hajaina ny safidin’ny vahoaka. Mila manaja sy mankato ny demokrasia ny fitondram-panjakana, raha tsy olon’ny fitondrana no lany eo. Mila ampiana sy tohanana ny mpitantana ny renivohitra fa tsy finganina, raha tena milaza ary ho tia tanindrazana ny filoha sy ny ekipany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT