Tsy manana eritreritra ny hanala an’i Elysée Ratsiraka, ben’ny tanŕnan’i Toamasina amin’ny toerany izany ny fanjakana, hoy Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier, minisitry ny Atitany fa ny mpanao gazety no matetika mahita volana alohan’i habib.
Io no nambaran’ity minisitra ity omaly tolakandro raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny toeram-piasany ny tenany. « Miantso fandraisan’andrakitry ny ben’ny tanàna kosa izahay » hoy ny minisitra. Rehefa nangataham-panazavana ny amin’ny tiany hambara amin’ny atao hoe fandraisan’andrikitra ny minisitra dia nosoritany fa tokony hanana fanetren-tena ny ben’ny tanàna ary tokony mba hiezaka hitady vahaolana amin’ny disadisa misy ihany. Mahakasika ny andraikitry ny fanjakana indray dia nanambara ny minisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier fa tsy mitazam-potsiny ny fanjakana fa mandray ny andraikitra tandrify azy ihany koa. Araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena hoy ny minisitra dia miara -miasa ny ben’ny tanàna sy ny fanjakana foibe amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana any amin’ny tany misy azy ireo tsirairay avy. Nandritra ny fanazavany dia nanambara ihany koa ny minisitra fa nahazo fanampim-baovao momba ny hetsika fanakorontanana tany Toamasina iny ny tenany ary nahazo vaovao mahakasika ireo olona nitarika ny korontana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.