Politique

GIC, Fihaonana ao amin’ny Carlton : Ny fampiharana ny Maputo I sy Addis Abeba no karohina


  • Zoma 22 Janoary 2010

Omaly maraina no nigadona teto an-tanindrazana Ingahy Jean Ping sy ireo mpiara-dia taminy. Izao fahatongavany eto an-toerana izao moa dia tohin’ny dinika nataon’ireo mpanelanelana iraisam-pirenena ny 06 janoary lasa tany Addis Abeba, hikarohana izay vahaolana amin’izao krizy politika nateraky ny fanonganam-panjakana teto amintsika izao.

 

Niasa avy hatrany ireo mpanelanelana. Ny maraina dia solontena vitsy, toa an’i Norbert Lala Ratsirahonana, no nihaona tamin’ny Groupe international de Contact na GIC notarihin’ny filohan’ny vaomiera eo anivon’ny firaisambe afrikanina. Ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana, Mangalaza Eugène, avy eo no nifampidinika tamin’izy ireo. Nisafidy ny tsy haneho hevitra aloha Ingahy Mangalaza rehefa nivoaka ny efitrano nifampidinihana. Taorian’izany dia noraisin’ny GIC koa ny Praiminisitry ny FAT, Albert Vital Camille, izay nilaza fa tsy maintsy ny fifidianana ihany no hiafarana. Ankoatra izay dia nihaona tamin’ireo filoha mpiara-mitantana 2, Emmanuel Rakotovahiny sy Fetison Rakoto Andrianirina, ireo vahiny, avy eo moa dia niazo an’Ambohitsorohitra Ingahy Ping. Ny tolakandro kosa dia ireo delegasiona avy amin’ireo ankolafy tsirairay no nifampidinika tamin’ireto mpanelanelana. Nanana ora iray teo ho eo avy ny ankolafy isanisany. Tsy azo natrehana moa ny dinika rehetra, fa raha ny tatitra tsotra nataon’izay rehetra nivoaka avy tao amin’ny efitrano nivoriana dia nitovy ny feo. Nandroso tolo-kevitra ny GIC, tolo-kevitra tsy miala amin’izay tapaka sy nosoniavina tany Maputo sy Addis Abeba. Tsy fifampidinihana intsony no hatao, hoy ny filoha mpiara-mitantana Emmanuel Rakotovahiny, fa ny fijerena izay hampiharana sy ny hanatanterahana araka ny tokony izy ireo fifanarahana tenierana rehetra. Handinika ny tolo-kevitra naroson’ny GIC aloha izahay, hoy kosa Fetison Rakoto Andrianirina, filoha mpiara-mitantana. Nanambara ity mpitantana ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana ity fa tsy ho ela, mety anio ihany, dia mety ho fantatra izay ho hevitry ny ankolafy misy azy. Tompon’andraikitra avokoa isika rehetra raha tsy mahomby izao fitadiavam-bahaolana izao, hoy kosa i Ange Andrianarisoa, mpitarika ny delegasion’ny ankolafy Ratsiraka, izay nanamarika ihany koa fa hetsika ihany ankolafy Madagasikara. Ny fitakiana ny fampiharana ireo fifanarahana vita sonia tany Maputo sy Addis Abeba ihany no iraisan’ireo ankolafy 3 ka nahatonga ny fivondronana, hatreo ihany, araka ny fanazavana. Tsy noresahana tamin’ity fihaonana ity koa ny momba ny Maputo 3, izay noheverina ho tsy nisy ary tsy manan-kery. Tany amin’ny 6 ora sy sasany tany vao nigadona teny an-toerana ny ankolafy Rajoelina. Taorian’ny fihaonana tamin’ity ankolafy ity dia nifampidinika tamin’ireo masoivoho monina sy miasa eto amintsika ny GIC. Tsetsatsetsa no ilazana fa nandritra ny fotoana nanapoahan’ireo miaramila tety ivelany ny lakrimozena dia tratr’izany koa ireo mpanelanelana tao amin’ny trano fivoriana ka samy namoaka ny mosoarany avy. Fantatra ihany koa fa dia efa nahita trano eto Madagasikara ireo mpanelanelana iraisam-pirenena hijery ny firosoan’ny dingana fampiharana ireo fifanarahana.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT