Politique

GFFM an’i Pastera Mailhol Vonona hiatrika na fifidianana na tetezamita


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Nanamelo-maso ny antoko Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara indray pastera Mailhol Andre Christian izay filoha mpanorina azy.

Tafapetraka omaly ny birao vaovaon’ny antoko izay hiasa mandritra ny 5 taona ho avy ka lany ho filoha nasionaly hitantana azy i Pastera Mailhol raha lasa mpandrindra nasionaly kosa Rakotovao Andriamparany izay filohan’ity antoko ity teo aloha. Nivoitra nandritra ny fanehoan-kevitr'ity antoko ity omaly fa vonona hiatrika izay mitranga eto amin’ny firenena izy ireo na fifidianana na tetezamita no hoavy eo ! Mikasika ny mety ho filatsahan'ny Pasitera Mailhol indray ho kandida Filoham-pirenena dia nanambara ny tenany fa aorian'ny kongresy hotanterahin'ny antoko tarihiny izay hoatao eto Antananarivo mialohan'ny hivoahan'ny datim-pifidianana ofisialy vao ho fantatra izany satria miankina amin'izay fehin-kevitry ny kongresy ny fanapahana an'izany. Nanainga ny rehetra tia tanindrazana vonona hiady sy handresy ny fahantrana eto amin'ny tany sy ny firenena moa ny Antoko GFFM hamondrona hery hanatrarana ny tanjona iraisana dia ny fandresena ny fahantrana,tsy hanavahana fikambanana izany,na antoko politika,na foko,na antokom-pivavahana, na vondron'olona tsara sitrapo sy ny sisa..Tsiahivina moa fa tafiditra anatin'ny antoko matanjaka eto Madagasikara ity antoko GFFM ity hoy ny Pasitera Mailhol, satria laharana faha 4 izy ireo tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena farany teto amintsika ny taona 2018 taorian'ny Filoha Rajoelina,Filoha Marc Ravalomanana ary ny Filoha Rajaonarimampianina .
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nokarakarain’ny antoko omaly ho an’ny mpanao gazety
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT