Politique

Gervais Rakotomanana : “Efa hatry ny ela no nisy te hanilika ahy”


  • Zoma 22 Janoary 2010

Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety, dia misy firaisana tsikombakomba avo lenta amin’ny eritreritra hanala ny Ben’ny tanŕnan’i Toamasina, Dr Gervais Rakotomanana.

 

Voalazan’ny loharanom-baovao fa mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny Lehiben’ny Faritra ao no atidoha mikotrika ity tetika maizina ity, ary miezaka mandresy lahatra ny mpiara-miasa akaiky amin’ny Ben’ny tanàna sy miezaka manome toky azy fa tsy maintsy ho azony io toerana PDS io. Hoy indrindra  Atoa Alain Mahavimbina, Lehiben’ny Faritra, raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy : “Misy mamahan-dalitra sy mamingana ary mamitaka aho, tsy lavitra anefa ny olona manao  izany fa ny eo akaiky ihany, ary matetika hitenenako ny manodidina ahy io satria tsy andeferako ny fanapahan-tenda ahy sy ny tsy fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka”.
 
Ho an’ny Ben’ny tanàna, Dr Rakotomanana Gervais, raha nanontaniana mikasika ity resabe sy tsaho aely ity dia nilaza tsotra fa “voafidim-bahoaka aho, manana fifanarahana sy toky natao tamin’ny vahoakan’i Toamasina I, eo am-panatanterahana azy aho izao. Nekeko ny hiaraka antsika jiaby hampandroso an’i Toamasina, ka ireo vonona tamin’izany ireo mpiara-miasa amiko izao ireo. Raha ny fanoloana ahy anefa no heverina fa fampandrosoana tiana atao, tsy mampaninona ahy izany, tsy vao izao koa no nisian’izany fa efa nanomboka tamin’ny fitoriana ahy teny amin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana fa resy sy tsy mitombina foana hatreto ny fanenjehana natao ahy, ny nitarihana ny filankevitry ny kaominina hanongana ahy fa tsy tanteraka satria mbola mipetraka ny fifampitokisana. Na izany aza, tokony hahay hiandry ireo te-hitondra ny fahaizany amin’ny fampandrosoana ny tanàna, satria tany demokratika sy manaja lalàna i Madagasikara”.
 
 
RTT sy Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT