Gerry Randriambolaina

“Mbola tsy vita ny tolona, ny fahantrana no fahavalontsika”


  • Zoma 12 Aprily 2024

Natolotra ofisialy ny alarobia 10 aprily teo teny Alasora ny lisitry ny kandida tarihin’ny Depiote Gerry Randriambolaina

amin'ny fifidianana ny 29 May 2024. Nambara fa ho famaliana ny hetahetan'ireo vahoakan'Avaradrano, indrindra ho fanohizana ny asa fijoroana hiaro sy hanohana ireo lalàna mitsinjo hatrany ny tombontsoan'ny daholo be, izay efa nikelezana aina hatrany nandritra ny tolona izay mbola tsy vita na io tamin'ny hetsiky ny "Depiote 73 ny 2019" na tamin'ny "Hetsika fotsy 2023". “Ny fahantrana no fahavalontsika ary atao laharam-pahamehana ny tany tan-dalàna hiadanan'ny ambany lanitra”, hoy izy. Ity depiote ity no lohalisitra, lisitra faharoa Rakotondrasoa Georges avy ao Sabotsy Namehana Avaradrano. Lisitra fahatelo Rambeloarison Lanto Harivony avy ao Ankadikely Ilafy, ary lisitra faha-4 I Faneva avy ao Alasora Avaradrano. Taorian'ny fampahafantarana ireo mpiray lisitra, dia nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo vahoaka maro tonga nanotrona, ary nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo. Nilaza ny depiote Gerry, fa na dia depiote TIM am-perinasa aza izy, na lehiben'ny DISTIM Avaradrano ary mpikambana birao politika TIM, dia nirotsaka ho mahaleotena satria izay no notakian'ireo vahoaka maro mpanohana (na TIM na tsia) tamin’ny fotoam-piasana faharoa efa nataony. Nohazavainy fa tsy ny TIM no nanolotra ny kandida Firaisankina Avaradrano. Efa natao daholo ny dingana tokony ho natao, hoy izy, ary hatramin'ny fifampiresahana tamin’ny Filoha Ravalomanana. “Nilatsaka ny tenako satria ny vahoaka no andriamanjaka ka manaraka ny safidim-bahoaka izay nilaza fa mbola tsy vita ny tolona ka mila tohizana miaraka amiko. Fifaninanana masina no atao, ka na inona na inona atao rehefa tsy sitrapon’Andriamanitra dia tsy tanteraka ary ny mpanenjika dia ao aoriana foana”, hoy ny Depiote Gerry Andriambolaina.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT