Politique

Gérard Ramamimampionona «Very ny fahaleovantena rehefa mandady eo anatrehan’ny vahiny»


  • Alarobia 21 Jona 2023

Misavorovoro ankehitriny isika malagasy, hoy ny filoha lefitry ny CFM teo aloha sady mpahaifiarahamonina,

Gérard Ramamimampionona. Isika ve no ampisavorovoroina sa efa toetsaintsika mihitsy ilay hoe rehefa akaiky fifidianana toy izao dia misavorovoro? Samy manao izay mahafalifaly ny fony. Misy tena manao izay hanakorontanana dia misy miezaka mitady vahaolana eto amin’ny tany sy ny firenena. Fifaninanana ny fifidianana saingy fifaninanana masina sy ao anaty fahalalahana ary safidy ka tokony hifanaja. Fifanajana voalohany ny fitonian’ny tsirairay. Lasa mialoha lalana ny tombontsoa manokana dia tsy mipetraka intsony ilay fahendrena sy soatoavintsika malagasy hoe mila firaisankinana, filaminana, fifanajana, indrindra izao hoe manakaiky ny fetim-pirenena. Mila firenena mijoro izany fahaleovantenam-pirenena izany. Raha izao olona misaratsaraka, miadiady, mifanao ankolafy, mifanilikilika, mifampibahambahana, mifanakorontana izao dia na ilay fahaleovantenantsika aza lasa saritsariny. Izay mitambatra vato nefa isika indray no miparitaka. Tsy maintsy hoe mitabataba ve vao heno? Sa manampim-tsofina dia voatery hitabataba ny olona? Mbola misy indray koa hoe izahay miaraka amin’ny amerikanina, izahay miaraka amin’ny frantsay, izahay miaraka amin’ny rosianina, izahay miaraka amin’ny sinoa. Mbola izany indray no mahafaly antsika dia vao mainka faly ny any ivelany mampisaraka antsika. Lasa izy ireo no mibaiko eto. Sarahan’ny any ivelany isika dia mibanaka. Izy indray no mitarika ny hoe «bonne conduite» nefa tsy tokony ho isika ve no hampianatra izany? Lasa miankina amin’ny firenena any ivelany ve ny hoavy politika eto? Maninona no adaladala manary fanahy toy izany isika? Rehefa ny avy any ivelany koa no miantso amin’ilay fahaleovantena tena adaladala dia dedaka tonga daholo. Rehefa samy malagasy nefa no mifampiantso dia na ny efa tonga eo aza mivoaka. Lasa ny any ivelany no mitondra ny hoavy politikantsika amin’izao fotoana. Very ny fahaleovantena rehefa mandady eo anatrehan’ny vahiny. Samy efa nanipy lakrimozenina daholo izay fitondrana nandalo teo kanefa dia izany foana ve izany no iainana eto, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT