Politique

Gérard Ramamimampionona “Sanatria hifampifahavalo ve isika Malagasy ?”


  • Alarobia 31 Aogositra 2022

Miondrika manoloana ireo havantsika namoy aina any Ikongo ary mirary fiononana ho an’ny fianakaviany no mirary fahasitranana tanteraka ihany koa ho an’ireo maratra,

hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM, Gérard Ramamimampionona. Efa lasa miverimberina ny zava-misy, hoy izy, fa tsy manana ny tena soatoavina fototra maha malagasy izany isika. Ny soatoavina malagasy dia nanahirana na ny hamono akoho aza. Betsaka ny olona fady mandatsa-dra. Fanajana ny aina izany. Izany fivoizana sy fanabeazana amin’izany soatoavina ary fifampifehezan’ny mpiara-monina izany dia ahafahany manaraka lalana. Misy fanabeazana tokony atao amin’ny vahoaka fa misy koa fanabeazana tokony atao amin’ireo tomponandraikitra koa hoe na inona na inona mitranga dia zava-doza foana ny fampiasan-kery fa zava-dehibe ny fifampiresahana. Tsy azo soloina ny aina fa rehefa lasa dia lasa. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy, hoy isika malagasy, ka izay fananam-panahin’ny mpitondra mba hiheritreritra ny tokony atao izay koa tena ilaina. Hitambatra ho amin’inona isika vahoaka malagasy? Raha hampiasa fitaovam-piadiana ny mpitandro filaminana, hitambatra ho an’ny fahavalo ve sa sanatria hifampifahavalo ve isika malagasy, hoy hatrany izy ?
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT