Gérard Ramamimampionona

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»


  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Aleo tsiahivina hatrany fa matoa

izao toe-draharaha izao no tonga dia noho ny hetsika niandoha ny 25 septambra 2025, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Nisy izany ny hoe hetsika nataon’ny tanora Gen Z, hoy izy. Afaka niaraka tamin’izany, nikaondoha, nifanaraka. Tonga dia nifanatona teny an-kianja. Mety efa nisy koa fihaonana tany ambadika tany. Afaka niaraka tambony kianja sy nifamondron-kery tamin’izany hoe hijerena izay hanavotana ny firenena. Nifanarahana tamin’izany ny hoe handrodana ny fitondràna teo aloha mba hanovàna rafitra hitondra ny firenena any amin’ny fampandrosoana amin’izay. Volana vitsy aty aoriana isika izao, mahatsiaro ny fomba fiteny hoe vonoina aloha ny voay dia hita eo avy eo izay hiravaka ny vanginy. Mangataka fanovàna rafitra izao ireo zandry zanantsika ireo, izay tena nanetsika ireny raharaha ireny. Hita ho tena zava-dehibe kosa nefa izao ny fandrafetana ilay rafitra Gen Z aloha. Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny tsinona izao! Misy Gen Z milaza fa mitohy ny tolona. Misy teny koa etsy ankilany hoe tsy misy an’izany intsony. Misy Gen Z miaraka amin’ny atsy dia misy miaraka amin’ny aroa. Gen Z an’iza izany no tokony tena hatonona rehefa misy fifanarahana tokony atao? Rindram-baiko na hoe «application» sy «virtuel» ve ilay Gen Z? Tokony hiara-mitady aloha izay dingana ahafaha-miombona ary fitiavan-tanindrazana no mibaiko fa tsy tombontsoa manokana intsony, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT