Gérard Ramamimampionona

«Ny fahamarinana ihany no mitondra fitoniana»


  • Talata 04 Jona 2024

Mbola anaty atao hoe zotram-pifidianana isika izao, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry

ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Nandeha, hoy izy, ny talohan’ny fifidianana, ny fifidianana na fandatsaham-bato dia anatin’ny fikirakirana ireny vato ireny izany isika izao. Miandry valim-pifidianana fa tsy vokam-pifidianana isika io. Tsara marihina izay. Ny atao hoe valim-pifidianana dia hoe iza no nahazo vato tahaka izao tamin’ny fifidianana? Ny voka-pifidianana dia tokony hoe io ilay olona nomenao fahefana fa miahy anao, miasa sy manompo anao mahatonga fiaraha-mientana hitondra fampandrosoana. Rehefa tsapan’ny olona hoe misy vokany toy izany ny fifidianana dia mazoto hifidy amin’izay izy. Tsapan’ny olona fa tsy nisy voka-pifidianana teto hatramin’izay dia hoy izy hoe izahay tsy hifidy intsony fa tsy misy vokany akory ilay izy. Ny voka-pifidianana izany dia asa. Tsy mahagaga raha mikorontana foana ny valim-pifidianana satria tsy nahitana vokatra nahasoa hatramin’izay ny fifidianana. Miteny daholo matetika ny mpanara-maso avy ato anatiny sy avy any ivelany hoe nizotra am-pilaminana ny fifidianana nefa isika mba samy nianatra kely ihany hoe fa (–x+=-) na miiba ampitomboana miabo dia mira miiba. Niaraha-nahita hoe nisy tsy nety betsaka tao. Eto am-piandrasana ilay valim-pifidianana no misy ny resaka doro trano, ny hala-bato, ny fangalarana voka-pifidianana ary samy nifampiapanga ho nanao izany daholo ny andaniny sy ankilany. Ny famadihana vokatra koa voaresaka, ny fikasihan-tanana. Sady tsy mahay no tsy mahazaka demokrasia isika no dikan’izany rehetra izany. Na hiantso fitoniana fampiriny eo aza rehefa misy foana ny tebiteby toy ny tsy fandriampahalemana, tsy fahamarinana sy ny toy izany rehetra dia tsy hitondra fitoniana mihitsy. Miantso ny rehetra handray ny andraikiny amin’ny sehatra misy azy avy mba hampihatra ny fahamarinana fa ny fahamarinana ihany no mitondra fitoniana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT