Politique

Gérard Ramamimampionona “Mila filaminana fa miady mafy ny Malagasy”


  • Zoma 16 Desambra 2022

Hita ho somary mikorontandrotana isika malagasy izao, raha ny fiainam-pirenena no resahana, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny CFM teo aloha,

Gérard Ramamimampionona. Hita izany na eny amin’ny fiarahamonintsika sy eny an-tsena eny, hoy izy. Na ny anivon’ny fianakaviana aza lasa mikorontana tsy afaka mifampihaino, tsy afaka mifampatoky, tsy afaka hifandefitra, tsy afaka hifampiresaka marina. Lasa fiainantsika isan-tsehatra sy ambaratongany izany rehetra izany. Ilaina, noho izany, ny toetsaina sy toe-pon’ny olona tsirairay mihitsy mba handala izany fifanajana sy fifampatokisana izany. Mila apetraka ny andraikitra isan-tsokajiny. Raim-pianakaviana ianao, tompona orinasa, mpivarotra, solombavambahoaka, governora, mpanao politika na inona. Mba tia izany filaminana izany ve ny toetsainao? Samy mitodika mankany amin’ny tombontsoam-pirenena ve? Rehefa hikendrena hahasoa firenena ny fahefana dia milamina io. Fifandonana kosa no ateraky ny samy fikendrena tombontsoa manokana ary lasa misy kajikajy sy tsy fifampitokisana. Mila filaminana fa efa miady mafy ny malagasy. Lalan-diso izany hoe anaty korontana izany no handaminan-javatra na ny hoe isavorovoroan-kilatoana. Rehefa mipetraka ny fifanajana, fahamarinana, filaminana dia afaka manatontosa fifidianana isika fa raha tsy izay dia na ny demokrasia aza hampihorohoro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT