Politique

Gérard Ramamimampionona “Isika samy malagasy mihitsy izao no mampihorohoro”


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Na eo aza ny resaka Wagner sy teratany vahiny miditra an-tsokosoko eto amin’ny firenena dia isika samy malagasy mihitsy izao no lasa mampihorohoro,

hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha, Gerard Ramamimampionona. Manjary very fanahy isika dia lasa biby, hoy izy. Adalantsika ny manary ny fahendrena avy amin’ny soatoavin’ny fihavanana maha malagasy antsika, ny fanajana ny hasin’ny aina iombonana ka niaraha-mamelona sy miaro ka lavitry ny fitiavan-tena fa nikatsaka hatrany ny soa iombonana, ny fampanjakana ny fifanajana sy fahamarinana fa Andriamanitra an-tampon’ny loha, ny fankamamiana ny firaisankina sy fifanomezan-tanana, ny fifampitsimbinana. Tsy misy fialonana na halako bika tsy tiako tarehy ny fandalana ny teny ierana sy ny hevitry ny maro mahataka-davitra ka nifanaja sy nifampihaino mandrakariva. Ny fahaverezan’izany rehetra izany no tena mampihorohoro ka manamora sy mampahazo vahana ary manamora ny asan’izay mety ho fahavalo mety miditra na hampidirina eto amintsika sanatria. Isika ihany no namotika sy mamotika ny maha malagasy antsika ka mamotika ny firenentsika. Rehefa misara-bazana noho ny fitiavan-tena, ny fitiavam-bola sy harena tafahoatra, ny fitiavam-pahefana sy voninahitra, ny ambom-po diso toerana ka mifampifahavalo. Na oviana na oviana ary na iza na iza fahavalo miditra eo amin’ny fiarahamonina tena malagasy miray sy mihavana dia hiala maina. Ny fisian’ny malagasy jamba miala amin’ny fahendrena sy soatoavina noho ny fitiavam-bola, harena, voninahitra, fahefana no maha mora ny fidiran’ny fahavalo eto ary ireny mihitsy aza no ampiasainy hampifandrafy antsika bebe kokoa dia hahantra lava eto isika, hoy hatrany ny tenany. J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT