Gérard Ramamimampionona

«Hiatrika ny fahavalo isika sa hifampifahavalo?»


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Fitiavan-tanindrazana no nameno ny fo, nanazava ny saina, nanetsika ny fanahy,

nanentana ny vatan’ny malagasy tamin’ny 78 taona lasa hoe andao hiombona ho an’ny fanafahana sy fahafahan’ity Madagasikara ity ary ny vahoaka malagasy mihitsy, hoy ny mpanabe sady mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona, naneho ny heviny mikasika ny fanamarihana ny datin’ny 29 martsa 1947. Izay, hoy izy, no tao anatin’ireo raiamandrenintsika ireo. Fanilo tokony hiampita izany. Mbola miaina izany ve isika ankehitriny? Mbola misy izay fitiavan-tanindrazana izay marina ve ka hoe hiatrika ny fahavalo sa sanatrian’ny vava isika hifampifahavalo amin’izao fotoana izao? Hiatrika ny fahavalo isika sa hifampifahavalo? Tamin’izany fotoana izany hoe andao isika hiaraka hijoro hanohitra an’ireo olona hoe manjanaka antsika na mangeja antsika ireo. Ankehitriny kosa sao ny fisaraham-bazana no heverintsika fa fanehoana fitiavan-tanindrazana? Nifamelona, nifanentana tsara sy ny karazany ny malagasy tamin’izany fotoana izany. Fifamonoana ankehitriny no tena hita amin’ny fiainan’ny malagasy. Fitiavana ny hafa sy fiombonana no tamin’izany fa amin’izao fitiavan-tena. Izay ve ilay hoe fanilo? Sao tsy fanilo hanazava sy hitsilo ny lalana fa haizina sy setroka sisa miampita eto amin’ny firenentsika? Raha mbola velona teo ireo havantsika tamin’ny 78 taona lasa, ny fanahy tsy maty, hoy ny Ombalahibemaso, amintsika malagasy. Nanenina angamba izy ireo mahita izao zava-misy ankehitriny izao nefa sahy nanolotra ny ainy ho fanavotana satria amin’izao fotoana dia mifamono, mifandatsaka aina isika malagasy. Fotoana handinihana ny fitiavan-tanindrazana marina izao. Io ny tany. Ny fandorantsika an’io na ny famotehantsika an’io na ny fanararaotantsika io tany io satria eo ilay vahoaka malagasy mahantra ve no tena fanehoana fitiavan-tanindrazana sa ny fiombonana sy fiaraha-mijery ny zava-misy sy ny tena tokony ho lalan-kaleha mba hiarahana mandroso marina? Miantso antsika rehetra mba tena hifoha amin’ny fitiavan-tanindrazana marina hiatrehana ny tena fahavalo iombonana dia ny fahantrana. Tsy andro iray na hetsika iray no natao hampisehoana fitiavan-tanindrazana fa isan’andro, hoy hatrany ity mpandinika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT