Politique

Gerard Ramamimampionona “Hagegentsika raha mbola hikorontana”


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Mafibe ny fahasahiranana eto ambonin’ny tany ary tsy ahafahantsika eto Madagasikara miala, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gerard Ramamimampionona.

Tsy hilaza miara-mahita isika, hoy izy. Na izany na tsy izany anefa dia misy zavatra tsy maintsy hirosoantsika eto amin’ny firenena. Hiatrika fifidianana isika amin’ny taona 2023. Tokony ho olona anaty fitoniana no miatrika izany. Somary saropady sy sarobidy io satria fotoana hanomezan’ny vahoaka fahefana olona hitondra azy. Ny fampanjakana ny fihavanana no hahatongavana amin’izany. Mila milamina daholo na ny vahoaka na ny mpanao politika satria raha misavorovoro ny iray amin’ireo dia miara-misavorovoro eto isika. Filaminana, fahamarinana, fahamasinana no mila hanaovana izany mba ho zava-tsoa no vokany. Tranobe iombonantsika malagasy rehetra I Madagasikara. Hagegentsika raha mbola hikorontana amin’izao. Fahavalom-pirenena izay mbola mitarika korontana amin’izao. Tomponandraikitra amin’ny fampanjakana fihavanana isika ary ny fahamarinana no fototra hitarika filaminana. Mbola ho fahantrana miampy fahantrana raha mbola hikorontana eto isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT