Politique

Gérard Ramamimampionona “Aoka tsy ny fifidianana no ho loharanona korontana!”


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Efa navoakan’ny CENI iny fa ny 9 novambra sy 20 desambra no hanaovantsika fifidianana, hoy ny filoha lefitry ny

filankevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha sady mpitarika ny hetsika fivoizana fihavanana hoe Kianja Maitso, Gérard Ramamimampionona. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka malagasy, mpanao politika, eo anatrehan’izao tontolo izao, hoy izy, ny famoahana izany. Mitaky fiomanana be dia be izany eo amin’ny lafiny lalana, politika, rehetra. Heverina fa tafiditra ao anatin’izao fiverenan’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, izao satria mila mipetraka 6 volana mialoha eto fara fahakeliny izy raha te hilatsaka ho fidiana. Raharahantsika mianakavy hikendrena zava-tsoa eto amin’ny firenena ny fifidianana. Aoka tsy ny fifidianana no ho loharanona korontana eto amin’ny firenena! Sanatria hoe akaiky ny fifidianana dia hifanilikilika, hifamingapingana, hifandratrandratra. Hikendrena zava-tsoa ny fifidianana ka aoka tsy ho zava-dratsy no ho hita mialoha na aoriany! Izay no antony hanaovanay ilay Kianja maitso mba ho Madagasikara iray manontolo no ho lasa Kianja maitso lehibe hanjakan’ny teny ierana, ny fifampihainoana, ny fifanomezan-tanana, fampanjakana ny fahamarinana ho fampandraisana anjara amin’ny fanarenana azy indray mba hiankin-doha amin’ny tena malagasy ny firenentsika. Miainga amin’ny fo sy fanahy ny korontana sy filaminana ka samia manana fo feno fiadanana mba hampanjakana ny filaminana eto amin’ity firenena ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT