Politique

Gérard Ramamimampionona “Aoka tsy hifandrehitra afo!”


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Mirary soa antsika malagasy aloha amin’izao taona vaovao izao, hoy ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha, Gérard Ramamimampionona.

Isan’ny firariantsoa lehibe antsika, hoy izy, izany soatoavina malagasy miray hina sy mahay miara-monina izany. Mety misy hevitra tsy hitovizana fa mahay mifanakalo hevitra dia manao teny hierana. Efa fanomezan-janahary ho antsika taona maro izany ka tianay voizina indrindra ao anatin’ilay hoe Kianja maitso. Tsy zava-baovao izany fa zavatra mila foazina eto indray. Isan’ny asa izany tamin’izahay tao anatin’ny CFM saingy izao isika tsy afaka ny hiandry ny fitsanganan’ny CFM vaovao indray vao hanao izany asa fampihavanana izany. Tokony hapetraka any ifoton’ny firenentsika izany fa tsy tokony hiandry. Misy izao ny sakaizan’ny kianja maitso dia ireo olona resy lahatra hoe zava-dehibe izany fiarahamonina miaina soatoavin’ny fihavanana izany na amin’ny lafiny toekarena na politika na kolotsaina na famokarana ka vonona hanaparitaka azy. Tao amin’ny “Chute de la Lilie II” ao amin’ny kaominin’Ampefy izao nisy nanangana kianja maitso tamin’iny faran’ny taona iny dia niantso anay hoe hiaina ilay izy. Toy izany koa tao amin’ny kaominin’Andranomanelatra. Kianja miisa 3 no natsangany satria hoe efa mpiaina ilay soatoavina sy mbola te hiaina azy bebe kokoa hono zareo. Tena tsara hanorenana firenena izany. Misy izao iny resaka finoana nalaza be iny. Saropady io resaka finoana io satria fandresen-dahatra. Ny malagasy mino izany Andriamanitra Andriananahary izany ary ny Kristianina mino an’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy masina. Samy mikendry filaminana izany ka aoka tsy hifandrehitra afo. Aoka tsy ho ny finoana no hampisara-bazana! Samy soatoavin’ireo ny fifamelan-keloka, hoy hatrany ny tenany, ka aoka iny tsy hororitina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT