Politique

Gerard Ramamimampionona «Aoka tsy handrirotra fa mandoro ny firenentsika»


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Soatoavintsika malagasy foana ny fipetrahan’ny atao hoe Ray aman-dReny, misaraka ny fanoratra azy satria io ilay niteraka,

sy ny Raiamandreny soratana mikambana dia ilay apetraky ny fiarahamonina amina haja manokana noho ny antony maro, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Gerard Ramamimampionona. Ny hitambaran’ireo dia manam-panahy daholo ireo, hoy izy. Olon-kendry natao ianteherana. Mampiombona no anjarany. Izay no mahatonga ny malagasy taloha hoe anjaran’ny raiamandreny izany mandray anjara fitenenana izany satria heverina hoe mahay mamadibadika im-pito ny lelany. Mitandrina fatratra ny teny atao izany ka na misy fahadisoana aza dia miala tsiny haingana. Izay rehetra miheritreritra hanao politika, izany hoe miheritreritra hamelona ny mpiara-belona aminy izany dia tokony hijery ny soa iombonana. Tokony hanaja ny tenany eo anivon’ny fiarahamonina koa izany apetraka ho raiamandreny izany ary izany no hanaovana antsoavo ny mpitondra isan’ambaratonga hoe ankoatran’ny fitandremanao ny hasin’ny vatanao dia tokony tandremanao koa ny hasin’ny vondrona misy anao na koa ny firenena iray manontolo. Raha ianao nandrasana ho to teny indray no manao zavatra hafa, indrindra, eo anatrehan’ny zanaka sy ny olona hafa dia tena zava-doza izany. Miantso ny mpanao politika rehetra mihitsy aho ankehitriny na anaty fitondrana io na ivelany hoe lasa masiaka loatra isika. Lasa tsy mifanaja loatra isika. Marina fa nisy olona tsy nahay niteny na niteniteny foana. Na teny nibolisatra io na niniana natao, ny tena raiamandreny koa tsy tokony hirirotra izany. Ataontsika hoe io misy trano iray dia niraraka teo ny lasantsy. Tsy hitondra afokasoka handrehitra izany mihitsy ny olon-kendry. Toy izay koa ny eto amin’ny firenena. Misy tsy mety eto fa mila mitandrina aloha mba tsy hanaotao foana. Aoka tsy handrirotra fa mandoro ny firenentsika. An-davanandro fa tsy anaty fotoam-pifidianana ihany no ilana iainana ny fihavanana. Afaka mifaninana ny malagasy saingy misy ilay fitenenana hoe ataovy toy ny adilahin’ombalahin’ny mpianakavy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT