Politique

Gérard Rakotonirina -Filohan’ny OJM “Tsy jiolahy akory ny mpanao gazety…”


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Andraikitry ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM), rehefa misy mpanao gazety hatao famotorana na raharaham-pitsarana, dia manana zo izy hanatrika izany,

 

 

 

 hoy ny filohan’ny OJM Gérard Rakotonirina teny amin’ny BC Anosy omaly nanotrona ireo mpanao gazety notazonina sy nampanantsoina. Ao anatin’ny iraka sy andraiikitry ny holafitra ny miaro ny mpanao gazety amin’ny fanatanterahana ny asany ao anatin’ny fanajana ny etika sy ny deontolojia. Tato ho ato, hoy izy, nanomboka ny desambra hatramin’izao septambara izao dia matetika ary maromaro ny fisiana raharaha hanenjehana mpanao gazety kanefa isika miandrandra fahalalahana. Tompon’andraikitra isika satria ny vaovao havoakantsika no handraisan’ny fiarahamonina fanapahan-kevitra amin’ny fiatrehany ny fiainana andavanandro sy ny zavatra manahirana azy. Andro sabotsy ny nisamborana ilay mpanao gazety ary alahady no nanaovana fampiantsoana mpanao gazety iray hafa natao famotorana. “Hatramin’izay raha nisy mpanao gazety voaantso hatao famotorana dia tsy mbola nisy alahady izany fa ity tena hafa kely ary maika ho aiza isika?”, hoy ny filohan’ny OJM. Ireo sanatrian’ny vava tsy hoe jiolahy na olon-dratsy atahorana hitsoaka satria tsy hiala eto Antananarivo ary tsy afaka ny hiala eto sy vonona hiatrika ny famotorana raha misy fahadisoany. Ny fisamborana sy fitazonana ny mpanao gazety, dia mety ao anatin’ny dingana ataon’ny mpitandro filaminana kanefa manamafy aho fa tsy olona atahorana hitsoaka, ka mahatoky ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsara hanao ny asany am-pahitsiana aho satria tsy maintsy hiakatra fampanoavana ity raharaha ity, hoy ny filohan’ny OJM.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT