Politique

Gérard Andrialemirovason “Aoka izay ny fanjakana mpangataka!”


  • Zoma 10 Febroary 2023

Anaty tsy fahamarinan-toerana goavana isika ankehitriny, hoy ny mpanao politika, Gérard Andrialemirovason. Raha tsy fahamarinan-toerana politika na “instabilité politique”,

hoy izy, no entinao manarina firenena dia “instabilité politique” koa izany no entinao eo. Izay no nahatonga ny jeneraly De Gaulle nanao “Etat nouveau” tamin’ny nanao ny “5e république” satria tsy mari-toerana ny “4e république”. Fanjakana vaovao ho atao izany ny “Etat nouveau”. Miala amin’ny tsy misy isika hanao zavatra vaovao mihitsy. Toy izany koa no nataon’i Salazar. Ady an-trano no tany Portugal dia hoe aleo manao «Etat nouveau». Mety tsy demokratika ilay izy fa ilaina atao. Variana manafangaro ny akoho sy ny vorona isika ohatra rehefa fikaonandoham-pirenena. Milaza ho manan-kevitra daholo. Tora-po no nentina nanao lalampanorenana tamin’ny 1991. Raiamandrenim-piangonana no nanao azy. Tsy voaharin-drizalahy intsony ny zavatra natao. Lasa repoblika tsy marin-toerana. Mila manao “Etat nouveau” miainga amin’ny olantsika isika aloha! Ny olantsika dia ny fahantrana, ny famokarana angovo, ny fiovaovaon’ny toetr’andro, ny fitsinjaram-pahefana. Miainga amin’ireo no hanaovana fanavaozana ekonomika sy rafitra. Ny ho fototr’ilay “Etat nouveau” izany tokony hampanankarena ny gasy fa tsy hifaninana handany volam-panjakana intsony hoe prezida misy kere ary dia hamoaka vola haingana, ohatra. Ny sasany mbola hoe izaho misioka tokana dia tonga daholo ny mpamatsy vola. Handany volan’olona fotsiny no atao raharaha nefa ny tokony ho fanontaniana dia hoe ahoana no hamelomana ny fianakaviana tsirairay hampitraka an’I Madagasikara? Isika izao fanjakana mpangataka. Aoka ny malagasy hahavita tena amin’izay! Aoka izay ny fanjakana mpangataka! Ny banky iraisampirenena niteny hoe na afaka 70 taona aza ianareo mangataka aminay, tsy ho tafavoaka! Tsotra foana ny lesoka hatramin’izay dia ny tsy fananana politika mahitsy fa lotoin’ny adihevitra rehefa avy eo. Mila manao lalampanorenana vaovao anefa isika fa tsy hitondra antsika alavitra intsony ity lalampanorenana iainantsika ankehitriny ity, hoy hatrany ny tenany. Mety hilatsaka ho filoham-pirenena moa aho, hoy izy, hahafahana manolotra izay “Etat nouveau” izay saingy aleo aloha mahazo tso-drano.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT