Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny filohan`ny Antoko Maitso, Atoa Alexandre Georget. Nambaran`ny filohany fa ``tsy mandeha amin`izay laonina ny raharaham-pirenena ary hita mivandrandra ny kolikoly sy ny jadona.``
Mibaribary hoy ny tenany ny propagandy alohan`ny fotoana ataon`ny Fitondrana amin`izato fitokanana etsy sy eroa kanefa ny raharaham-pirenena tsy mandeha ary endriky ny jadona izany. Manaraka izany miezaka manilika izay ho kandidà manafitohana ny Fitondrana. Ny jadona mantsy dia tsy avela miteny ny rehetra na maneho hevitra. Manao fihetsika manitsakitsaka lalam-panorenana ny mpitondra ary izao vao fantatra fa inona tokoa ny antony tsy nananganana ny andrimpanjakana Fitsarana Avo na ``Haute Cour de Justice`` hoy ny fanazavana hatrany. Marihana fa ny HCJ ihany no misahana ny fitsarana ny mpitondra fanjakana. Momba ny kolikoly misy eto amin`ny firenena dia nalainy ohatra tamin`izany ny fomba nandaniana ilay lalàm-pifidianana tetsy amin`ny Antenimieram-pirenena. Mametram-panontania tokoa hoy ny tenany hoe maninona no any amin`ny Hotel Paon d`Or no dinihana izany lalàna mifehy ny fifidianana izany ary maninona no tonga teny an-toerana ny Praiministra sy ny ministra sasantsany? Izany dia mariky ny kolikoly avo lenta izany ho Atoa Alexandre Georget.Tsy tokony hangina intsony raha toa ka olom-pirenena. Mbola mitsipaka marindrano ny fanovan`ny mpitondra ny lalàmpanorenana ny antoko Maitso. Momba ny fifidianana dia teboka roa no tsindriny tamin`izany. ``N`aiza n`aiza maneran-tany dia ny Fanjakana no mitarika ny olona hifidy kanefa mifanohitra amin`izany ankehitriny satria tsy alainy indray ny zon’ ny olom-pirenena mba tsy andehanana hifidy satria ferana 700 isaky ny birao-pifidianana izany. Ny antoko maitso kosa dia mahatoky ny HCC sy ny Bianco satria ireo sisa no arofanina ho an`Madagasikara ary izy ireo no sisa no afaka manafoana iny lalam-pifidianana mamenatra iny``. Nohamafisiny fa tsara kokoa raha tsy mirotsaka intsony ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ary tokony manao tatitra sy jery todika fotsiny izy. Momba ny fifidianana filoham-pirenena hatrany dia nambarany fa hanana kandidà tokona miaraka amin`ny ARMADA ny antoko Maitso. Mandray anjara mavitrika saingy tsy mpomba kosa ny hevitra fidinana eny an-dalambe ho fakana fahefana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.