GEN Z MADA

Mijoro hiaro ny tolona, hanome lanja ny fahasamihafana


  • Alatsinainy 22 Desambra 2025

Ny fahasamihafana no harena

ho an'ny GEN Z Madagascar. Nanatanteraka fihaonambe voalohany tetsy amin'ny kianjan'ny Barea Mahamasina izy ireo afak'omaly Sabotsy 20 Desambra, nandraisan'ireo Vovonana sy fikambanana tanora maro samihafa isan-karazany anjara. Ezahinay hotohizana hatrany izany hoy Rakotondrabeza Mihary mpandrindra sady mpitondra tenin'izy ireo hahafahana manangona ny hevitry tsirairay hanampiana ny Fitondram-panjakana mba hahatongavana amin'ny tena fanavaozana marina. Hatreto mantsy raha araka ny fanazavany dia tsy mbola hita taratra mazava loatra ny rafitra sy ny tondrozotra hahatongavana amin'izay fanavaozana izay ka tokony hanaovana ezaka manokana. Nivoitra nandritra ny fihaonana araka izany ny fanazavana mikasika ny tanjona sy ny ho avin'ny tolona. Toraka izany koa ny fijerena ny lasa hanamafisana ny hevitra fototry ny hetsika ka nanasongadinana indray ireo soa toavina fototra toy ny hoe : mitondra feo sivika mahaleotena, mijoro ho an'ny rariny ara-tsosialy sy ny hasin'ny vahoaka Malagasy. Nohazavain'ity mpitondra tenin'ny GEN Z Madagascar ity ihany koa moa fa ny lamina mipetraka ao aminy toy ny fomba fitantanana, ny ambaratongan'ny fandraisana anjara ary ny fomba fiasa iombonana. Izany no hatao dia hanamafisana ny rindran'ny hetsika sy ny fangaraharana ary ny faharetan'ny hetsika. Nanamafy moa ny GEN Z Madagascar fa tsy mpijery fotsiny ny tanora izy ireo fa mpandray anjara mavitrika amin'ny fanavaozana noho izany vonona hanohy ny tolona hatramin'ny taona 2026 no mihoatra izy ireo.
Pati
Légende : Rakotondrabeza Mihary, mpandrindra sady mpitondra tenin'ny GEN Z Madagascar !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT