Gen Z Itasy

«Tsy hanaiky ny hisian'ireo tsimatimanota ao anatiny»


  • Alarobia 07 Janoary 2026

Manoloana ny zava-misy mampanahy

sy manohintohina ny rariny sy ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitondràna, hoy ny Gen Z Itasy, dia tsy maintsy miteny izahay! Momba an’i Roméo na depiote Roméo Christophe Ramanantanana, hoy izy ireo, dia efa hitan’ny maro sy voamarina fa misy an’i Roméo tokoa amin’ilay «avis de recherche» na ombay mitady. Manontany mivantana izahay. Iza marina no tokony hifandraisanay ramatoa minisitra? Toa misy fanankonana sy fitazonana ny marina tsy hivoaka ka mampisalasala anay hoe tena manaja ny rariny ve ny fitondràna sa misafidy olona ho henoina sy ho raisina ary handraisana fepetra haingana sy eo no ho eo? Taorian’ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny fitsaràna dia misy vaovao azonay milaza fa miketrika ny hivoaka an’i Madagasikara i Roméo Ramanantanana. Araka ny voalazan'ny loharanom-baovao hatrany dia efa vonona ny pasipaoro. Vonona ny taratasy rehetra ary mampalahelo fa dia hoe misy olona ambony ao miaraka miketrika ilay fitsoahana rehefa tsy nahita rirany tany amin'ny fitsaràna. Raha izao no tsy misy fandraisana andraikitra entitra dia midika fa tsy mitovy ny lalàna eto amin’ny firenena. Misy ambony, misy ambany ary mety ho lasa fitaovana hiarovana ireo mpanao afera ilay antony nitolomana. Any Soavinandriana any, kamboty tanteraka ny vahoaka. Herintaona tsy nisy solontena miaro. Tsy nisy feo re ao amin’ny antenimeram-pirenena. Tsy mitaky afa-tsy fahamarinana, mangarahara, fitovian’ny lalàna ho an’ny rehetra tsy hiverenan'ireo tsy maty manota ao amin'ny fitondràna. Aoka mba tena fanovàna tena izy no himasoahantsika! Izahay dia manohana hatrany ny fitondràna izay mijoro saingy tsy hanaiky ny hisian'ireo tsimatimanota ao anatiny kosa, indrindra, fa aty amin'ny faritra misy anay, hoy hatrany ny Gen Z Itasy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT