9 septambra 2009 – 9 septambra 2019. Feno 10 taona katroka anio alatsinainy ny nisian’ny laharana 001 an’ity gazety vakianao isan’andro ity.
Maro ny lalana nodiavina tao anatin’izay ary saika manana ny fomba fijeriny mikasika ny zotran-dahatsoratry ny gazety ireo mpamaky tsirairay avy. Adihevitra be nipetraka ho an’ny mpamaky hatramin’izay, ohatra, ny hoe mpanohana filoham-pirenena teo aloha ny gazety. Ao ireo milaza fa gazety mpanohitra. Misy milaza koa anefa fa manohana fitondrana izy. Fehiny, manana ny tanjona tiany hahatongavana efa hatrany am-piandohana ny gazety dia ny hoe “Sahy mijoro ho an’I Gasikara”. Ankoatr’ireo mpankafy sy mpamaky moa dia manana ny tiany hambara ihany koa ireo mpanao politika izay resy lahatra fa ny gazety Tia tanindrazana no hany gazety vitsy an’isa sisa tena manao fandinihina ny politika misy eto amin’ny firenena. Hoy izy ireo :
Dany Rakotoson, antoko politika Aba
“Voalohan-teny dia miarahaba sy mirary soa ny gazety Tia tanindrazana nahatratra ny faha 10 taona nijoroany. Mbola zaza izany taona izany, raha amin’ny maha olombelona, kanefa raha ny fomba fiasa sy fikarohan’ny mpanao gazety ao aminy vaovao sy zotran-dahatsoratra entiny dia efa hita ny fahamatorana amin’ny fanoratana sy ny rehetra. Ny hirariana dia ny mba haharetan’ny gazety Tia tanindrazana ela indrindra sy hitazonany io firehan-keviny io fa tsy ho toy ny mpanao politika mivadibadika palitao lava.”
Heriniaina Razanadrakoto, antoko Tiako I Madagasikara
“Niarahantsika nahalala ny sedra nandalovan’izany gazety Tia tanindrazana izany kanefa dia hiarahantsika mahita ankehitriny fa nahitam-pahombiazany izy satria ny marina hatrany no nambarany teto amin’ny firenena. Ho anay izay anisan’ny naneho hevitra matetika tao anaty gazety dia mirary soa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao satria hita fa mafy ilay asa ary mananosarotra ny asan’ny mpanao gazety eto Madagasikara. Iaraha-mahalala fa vao haingina no nisy mpanao gazety nosamborina ka dia mankahery sy mirary soa izay rehetra misehatra ao anatin’izany gazety Tia tanindrazana izany ho tratry ny ela indrindra.”
Nanangona sy nandrindra: J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.