Gasy Tia Tanindrazana

> Manana kandida vonona hisedra ireo mpanongam-panjakana


  • Alakamisy 21 Novambra 2013

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy Antaninandro ny foibe hiasan’ny kandidan’ny Gasy Tia Tanindrazana na GTT etsy amin’ny Boriborintany faha-3.

Nandritra izany fotoana izany koa no nanehoana tamin’ireo mpampahalala vaovao azy dimy mirahalahy izay narotsaky ny fikambanana GTT sy ny Fanamby 88 hofidiana solombavambahoaka. Rakotonirina Doda Arison izay fantatra teo amin’ny resaka fandraharahana satria tompon’ny Master Com sy Master Change no lohalisitra amin’izany. Anisan’ireo voaroba tamin’ny 26 janoary 2009 ny tenany ary nandà hatramin’ny farany tsy hiara-petsapetsa tamin’ireo mpanongam-panjakana izay toherin’izy ireo rahateo. Antony nanosika azy hirotsaka hofidiana ny fahitana fa mangirifiry tokoa ny Malagasy tao anatin’ny efa-taona nisian’ny krizy izay. Na dia teo aza ny fahaverezan’ireo entana namidin’izy ireo ka nampikatso ny fandraharahany dia tsapany fa mijaly lavitra noho izany ireo vahoaka izay misy ireo very asa, ny sasany indray mba miasa ihany fa ny karama anefa tsy manao ahoana akory. Ny mpitondra fanjakana manao izay danin’ny kibony dia ny vahoaka madinika hatrany no mitondra faisana. Ankoatra ny Boriborintany faha-3 dia manana kandida any amin’ny Boriborintany faha-5, Atsimondrano, Bongolava ary Amparafaravola ny GTT.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT