Gasy Tia Tanindrazana

> Mahatsapa ny hirifirin’ireo vahoaka ka manolo-tanana


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013

Nikarakara asa tana-maro tao amin’ny Fokontany roa ao amin’ny Boriborintany faha-3 eto an-drenivohitra ny tao amin’ny Gasy Tia Tanindrazana ny sabotsy maraina teo.

Tolo-tanana izao natao izao, hoy Rakotonirina Doda Arison ka kely sy bitika izay voatsirambin’ny tanana ihany no nentin’izy ireo. Renim-pianakaviana sy tovovavy miisa 100 no nandray anjara tamin’izany ka fanadiovana ny tatatra tao amin’ny Fokontanin’Ankazomanga Avaratra sy Andravoahangy Atsinannaa no asa natao. Taorian’izay dia nanolotra akanjo tsy lena sy kahie ary stylo ho an’ny ankizy miisa 150 tao Ampandrana Andrefana indray ny GTT notarihan-dRakotonirina Doda Arison. “Ray aman-dreny tahaka anareo ireo ihany izahay, hoy izy tamin’ireo ray aman-dreny nitondra ny zanany haka fanomezana, ka azonay an-tsaina ny hirifirinareo amin’izao fahatongavan’ny fahavaratra izao rehefa mihevitra ireto sombin’ny aina ho lenan’ny orana ny fahefa-mividy anefa tsy mamela hividy akanjo tsy lena. Izany indrindra no nahatonga anay ato amin’ny Gasy Tia Tanindrazana hivimbina ireto fanomezana ireto. Tsy azo lavina fa kely izy ireto raha ny isan’ny zaza ato amin’ny Fokontanin’Ampandrana Atsinanana no jerena saingy tantely tapa-bata izy ity ka ny fo manolotra no mameno azy”. Mampanantena ireto vahoaka ireto ny GTT fa tsy maintsy mbola hiverina handalo sy hitsidika azy ireo.

 

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT