GASY KA MAHERY

«Avereno amin’ny vahoaka ny


  • Talata 11 Novambra 2025

fahefàna mba hiverina mpamboly sy mpiompy ny 85%!»

Iarahantsika mahalala fa ny iraka vitan’ny Gasy ka mahery na GAKAMA farany, hoy ny filohany, ny Maitre Michel Le Dragon, dia teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 26 jona teo. Dera sy laza ho an’ny firenena tamin’ny alalan’ny fampisehoana nataonay izany, hoy izy, saingy ny nampalahelo dia avy any Antsohihy izahay no nampiakarin’ny fanjakàna tamin’izany ho aty Antananarivo. Lany vola teo amin’ny 37 tapitrisa iraimbilanja na 7,4 tapitrisa Ariary teo aho nandritry ny fotoana nijanonana teto. Tsy voaverina ny volako. Tsy nomena vola aho tamin’ny fampisehoana vita. 20.000 Ariary no mba azoko tamin’ny fampisehoana natao tao Mahamasina. Naha kivy ahy tamin’ny mpanao politika izany ary hanafaràko hoe somary efa mankaleo ihany ianareo mpanao politika io. Tsy vitan’ny namitaka anay ianareo fa namitaka vahoaka koa. Miditra amin’ny fanavaozana isika io. Ilaina io fanavaozana io ary raha tsy nataonareo dia nataonay. Ankasitrahana ny fahatongavan’ny filohan’ny fanovàna, ny Kolonely Michael Randrianirina. Ankatoavina koa ny governemanta napetrany saingy esorina izay tsy manjary. Izahay moa anaty fanatanjahantena sy kolontsaina fa tsy politika. Miantso ireo minisitra tomponandraikitra mikasika anay mba hanampy anay hametraka ireo rafitra isan’ambaratonga manomboka eny amin’ny fokontany, mandalo faritra hatramin’ny mahasahana ny firenena manontolo. Tokony iverina hifidy filoham-pokonolona ny fokonolona! Rehefa lany ny filoham-pokonolona dia ampidinina aty aminy ny volan’ny governemanta hampandrosoany ny fokonolona. Ny repoblikan’i Madagasikara tokony hiova hoe «Firenena entim-bahoakan’i Madagasikara». Ny filoham-pirenena mijanona amin’izay ihany. Ny governemanta atao hoe «fifehezana». Ny praiminisitra «lohan’ny fifehezana». Ny minisitera «fisahanana» ary ny minisitra «mpisahana». Ny «direction» fitarihana, ny «directeur» mpitarika, ny «service» fiandraiketana sy ny maro hafa tsy voatanisa. Tokony hisy ny atao hoe mpitantana ara-panahin’ny fanjakàna na «guide spirituelle de l’Etat» tarihin’ireo raiamandreny ara-drazana. Ny filoham-pirenena no tokony manendry ireo minisitra ary ireo minisitra no tokony hijery izay ho atao praiminisitra! Avereno amin’ny vahoaka ny fahefàna mba hiverina amin’ny toy ny tamin’ny andron’ny filoham-pirenena, Philibert Tsiranana, hoe mpamboly sy mpiompy ny 85%n’ny malagasy, hoy hatrany ny GAKAMA.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT