Gadra politika

Vita ny sazin’i Be-Rija, tsy afa-bela i Mbola sy Rolly


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Nivoaka ny fonja rehefa nanefa sazy 44 volana teny Antanimora i Be-Rija Ravelomanantsoa.

Nosamborina ny volana jona 2020 noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny tambazotra sosialy Facebook, tamin’ny fotoanan'ny Covid-19 ireny. Nenjehina ho maniratsira fitondram-panjakana sy nanakorontana saim-bahoaka. Tsiahivina fa mpitarika fikambanan’ny mpianatra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo i Be-Rija tamin’ny fotoan’androny. Niara-dia tamin’i Andry Rajoelina, avy eo niara-dia tamin’ny Fitondrana HVM, efa Tompon’andraikitry ny jono tany Nosy Be tamin’ny fitondrana HVM, namana akaikin’i Mbola Rajaonah mpanolontsaina manokan’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina,... Henjana ny fiantraikan’ny fanagadrana an’i Be-Rija tamin’ny ankohonany, ary tsy mamoha fota-mandry, fa ny volana novambra lasa teo dia namoy ny ainy ny zanany lahy kely vao 8 taona noho ny aretina nikiky azy vokatry ny alahelony an-drainy. Raha tsiahivina, nialoha làlana azy tany am-ponja i Mbola Rajaonah izay tsy sasatry ny mitombo ny vesatra, ka fotoana fohy mialohan’ny fahavitana sazy 5 taona izay ho tapitra ny 14 febroary izao, dia vao nahazo didy fampidirana am-ponja vonjimaika miisa 2 indray izy tapa-bolana laza izay. Iray volana taorian’ny nisamborana an’i Be-Rija ihany koa raha tsiahivina no voasambotra ny 16 jolay 2020 tao an-tranony teny Ambolokandrina ny Minisitra teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia. Nohenjehina ho mpaniraka an’ireo nanao hetsika teny Ambohipo izay nolazaina fa nitaky ny famoahana an’i Be-Rija. Nilaza anefa ny lehilahy iray, fa nampanatenaina ho hafahana raha manonona sy mandetika an’i Rolly Mercia, ary nanao taratasy nilaza an’izany, saingy tsy afa-bela ity farany. Nitovana hatrany ihany koa ny vesatra, ary tsy afa-bela mandrak’androany. Tsy ho afa-bela i Rolly Mercia sy Mbola Rajaonah raha mbola i Andry Rajoelina sy ny ekipany no eo amin’ny fitondrana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT