Politique

Gadra politika : Aiza ho aiza ny momba azy ireo ?


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Tato anatin’ny 5 taona farany dia nomontsanin’ireo 10 volana farany ny zava-bita tsara indrindra teo amin’ny isan’ireo olona nofonjaina noho ny fijoroana ara-kevitra.

 

Tao anatin’izay 10 volana izay tokoa mantsy dia an-jatony ireo nalefa eny Tsiafahy na eny Antanimora na any Ambatolampy. Ny maro amin’izy ireo dia tsy mbola nandalo fitsarana hatramin’izao. Tsy vitsy ireo tojo ny tsy fahasalamana. Hevitra nijoroana hatramin’ny farany, tsy fanekena mpanongam-panjakana, no fototry ny fanagadrana azy ireo, eo koa anefa ny hendrikendrika satria heverin’ireo manana ny fahefana fa manelingelina azy. Olon-tsotra, mpanao politika, mpiaro, manamboninahitra, tompon’andraikitra ambony teo aloha, samy nofonjaina avokoa ary karohana toy ireny manao hazalambo ireny. Amin’izao fotoana izao dia manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra ny fianakavin’ireo voafonja politika. Efa tamin’ny volana aogositra no nifanarahan’ireo ankolafy 4 fa havoaka tsy misy hatak’andro ireo gadra politika rehetra. Manoloana izany indrindra, ankoatra ny antso ho an’ny fahefana FAT ankehitriny, dia manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany amin’ny ankolafy sy ny filoha Ravalomanana ireo fianakaviana mba hijerena akaiky ireo gadra ireo. Araka ny fanazavana, na ny sakafo aza dia manahirana azy ireo, ny fahasalamana koa tsizarizary.
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT