Politique

Gaby Vakiniadiana “Tsy mahaleo herim-bahoaka ny basy”


  • Talata 08 Novambra 2022

Rehefa tsy hanao fikaonandoham-pirenena ny fitondram-panjakana, hoy ny talen’ny seraseran’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Gaby Vakiniadiana dia lozany.

Rehefa tsy hay, hoy izy, ilay mitondra firenena dia miala. Io fikaonandoham-pirenena io ihany koa no ahafahan’ny firenena mankany amin’ny fifandimbiasan-toerana demokratika. Tsy milaza izahay hoe tsy mamim-bahoaka ianareo na hoe aza mamita fe-potoam-piasana fa mba tsy hisian’ny romoromo aorian’ny fifidianana, hoy izahay, dia andao atao ny fikaonandoham-pirenena. Tsy resaka fifidianana ihany no ilana an’io fa na ny resaka sosialim-bahoaka na ny toekarem-pirenena. Ireo volamena be dia be ireo. Aiza daholo ilay hazo sy ilay depiote nanao azy? Fa maninona ny mpanohitra miteny zavatra anio no gadraina rahampitso? Depiote tratra am-body omby ve dia mbola tokony handalo fitsarana avo na HCJ? Lalana tokony ovana izany aminay. Ilana fikaonandoham-pirenena daholo izany. Eto Madagasikara ny toerana ka hanao izy tsy mandrika ilay izy. Tsy hanao izy dia hitondranay tehina rehefa mandringa. Rehefa ilay tehina no ho avy dia tadidio fa vahoaka mitroatra izay dia anareo ny anareo. Tsy mahaleo herim-bahoaka ny basy. Fialana nenina io fikaonandoham-pirenena io. Tsy mitanila io rehefa mandray anjara ny vahoaka. Lozan’izay midongy ny sezany satria dia voaporofo izany fa famikiran-tseza no ataon’ny mpitondra fa tsy fitadiavana tombontsoam-pirenena. Tsy maintsy mandroso anaty filaminana fa tsy fidongian-tseza I Madagasikara, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT