Politique

Gabriel Rabearimanana : Raikitra ny fihaonana eny Antsonjombe


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Tsy mihemotra ny fihaonana amin’ny vahoakan’Antananarivo kasain’i Monja Roindefo, filoha nasionalin’ny antoko Monima, hatao eny Antsonjombe ny Sabotsy 23 janoary ho avy izao hifampiarahabana noho ny nahatrarana ny Asaramanitra 2010.

 

Nanamafy izany ny Sekretera jeneralin’ny antoko, Gabriel Rabearimanana, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tao Antsakaviro. Betsaka ny resaka mandeha fa tsy nahazo alalana hamory olona ao Antsonjombe i Monja Roindefo. Nampahatsiahy i Gabriel Rabearimanana fa raha nanao fangatahana hamory vahoaka teto an-drenivohitra ny hery politika hafa dia nanolotra an’Antsonjombe ny Kaominina, koa raha nangataka an’Antsonjombe i Monja Roindefo, mihevitra izahay fa tsy tokony hisy olana ny hahatanterahana izany. Hentitra mihitsy aza moa i Gabriel Rabearimanana nilaza fa raikitra io ary tsy mihemotra. Tsy ho kabary politika be no hisy ao, hoy i Monja Roindefo, fa lanonana ary io indray no fotoana hahazoany mihaona mivantana amin’ny vahoakan’Antananarivo taorian’ny hetsika teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey tamin’ny fotoan’androny. Toliara no nisantarany izany ny 09 janoary 2010. Aorian’Antananarivo dia ny vahoakan’i Mahajanga no heverin’ny Monima hihaonana manaraka.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT