Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ireo tanora mivondrona ao amin’ny « Génération en Action pour l’Avenir meilleur de Madagascar » na ny GAMM tarihin’ny filoha nasionaliny Jean Jusmin Ravalimbavaka.
Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tokony hahay hifandamina ny mpanao pôlitika rehetra eto amintsika fa tsy hampihatra lava izao ny fitiavan-tenany. Taorian’ny nahalanian’iny lalana mifehy ny fifidianana iny mantsy dia nambaran-dRavalimbavaka fa tena nikorontana tanteraka ny fiainam-pirenena. Takian’izy ireo araka izany ny hisian’ny fifampiresahana mazava eo amin’ny mpanao pôlitika sy ny mpanohitra ary ny fiaraha-monim-pirenena. Takian’izy ireo ihany koa ny hijerena manokana ny tanora izay ambara ombieny ombieny fa ho avin’ny firenena nefa modian-tsy jerena. Tsy eken’izy ireo intsony ihany koa ny fanaovana ramatahora ireo gasy tia tanindrazana sy ireo mijoro miady amin’ny fahamarinana nefa ezahina potehina. Nomarihin’ireo tanora mivondrona ao amin’ny GAAMM manokana moa fa tsy an’olon-tokana i Madagasikara fa an’ny Malagasy rehetra noho izany tokony izay mahasoa ny firenena no imasoana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.