Politique

G 10 Be resaka fotsiny


  • Zoma 07 Oktobra 2011

Mbola sangodim-panina ny fanolorana ny anaran’ireo hotendrena praiminisitra amin’izao fotoana.

 Herinandro mahery no nivory teny Ambohitsorohitra ireo mpanao politika avy amin’ny vondrona 10 (G10), tsy hita akory anefa izay tena hoe ventin-kevitra nivoaka tao. Nambara indray fa hamaritana ny anjara toeran’ny vondrona tsirairay avy ao amin’ny CST sy ny CT no noresahana. Nisy ihany ireo nanolotra anarana praiminisitra fa raha ny tena marina dia tsy mbola nahita marimaritra iraisana ny amin’izay anarana atolotra ny filohan’ny FAT ny G 10. Nahoana moa no hoe manolotra anarana 3 isaky ny vondrona na ankolafy politika indray ilay izy? F’angaha tsy efa niady hevitra sy niresaka ary nitady ny marimarira iraisana ny amin’izay olona mahafeno ny fepetra ary hotendrena ho praiminisitry ny tetezamita ireto vondrona politika ireto ? Ahoana moa no hisian’ny fitoniana ao anatin’izany rehetra izany raha toa ka ireo milaza azy fa miara-dia aza tsy mety mitovy hevitra ny amin’ny anarana olona 2 na 3 hisafidianana izay ho praiminisitra ? Raisina ary atao ohatra tsotra ny amin’ireto vondrona politika miisa 10 ireto, samy hanolotra anarana olona 3 avy izany izy ireo, dia efa 30 izany ny anarana ho tonga any amin’ny filohan’ny FAT. Samy hanolotra anarana olona 3 tsirairay ihany koa ny Ankolafy 3, dia tafakatra ho 39 izany ireo ho kandida praiminisitra.

Ary azo eritreretina ihany koa fa mety hisy vondrona politika hiforona tampoka indray ato ho ato dia mbola hitombo ihany ny isa. Izay ve ilay atao hoe mahay miresaka sy mifampidinika ary mitady vahaolana ny samy Malagasy ? Tsy mbola hita taratra mihitsy aloha amin’izao fihetsik’ireo mpanao politika izao ilay hoe «inclusif et consensuel» fa dia tena mbola samy maka ho azy ny tsirairay. Ny nandrasan’ny maro dia hoe manolotra anarana olona 1 na 2 ny G 10, dia mba manolotra anarana olona 1 na 2 ihany koa ny Ankolafy 3, dia anjaran’ny filohan’ny FAT amin’izay no misafidy amin’ireo. Mahamenatra ihany ny hoe olona 39 no hisafidianana izay ho praiminisitra iray. Mibaribary fa misy ady seza ao ambadik’izany ary samy te hahatafiditra ny olony ireo vondrona politika tsirairay avy ka tsy manaiky ny marimaritra iraisana mihitsy. Ankoatra an’Atoa Manoro Régis avy amin’ny ankolafy Zafy Albert izay tena mbola manjavozavo be ihany ny antony nandehanany matetika teny Ambohitsorohitra, dia olona manohana an’i Andry Rajoelina avokoa no mandrafitra ny G 10. Hatreto anefa dia tsy nahita marimaritra iraisana izy ireo nanolotra anarana olona 1 na 2 hatao praiminisitra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT