Front de refus national

“Mila mifanatona rehefa mihenjan-droa ny tady!”


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Mikatso ny raharaham-pirenena noho ny fikirizan’olon-tokana amina fomba fijery diso ka mitarika amin’ny

fanitsakitsahana mifanesy ny lalàna fototra, hoy ny fanambaran’ny Front de refus national na ireo elatra manohitra ny fifandonan’ny samy malagasy tetsy amin’ny Au bon accueil Ambatonakanga omaly. Eo koa ny fikarakarana sarintsari-pifidianana tonga hatrany amin’ny fampiasan-kery miroso any amin’ny jadona, hoy izy ireo. Etsy andaniny koa, mijoro ny vondron-kery iray dia ny firaisankinan’ireo kandida, mitondra ny olony eny an-dalambe. Mijoro izahay hampahatsiahy ny amin’ny tokony hibanjinana ny tombontsoa ambonin’ny firenena irery ihany eo amin’ny fitondrana sy ny raharaha politika. Mijoro koa ho vahaolana ary mitarika ny tsirairay handray ny anjara tandrify azy eo amin’ny famerenana fandriampahalemana. Mila mifanaiky hifanatona rehefa mihenjan-droa ny tady! Tsy maintsy hisy na oviana na oviana ny fifidianana fa atao eken’ny rehetra mba tsy hisian’ny korontana. Mandà ny hitondran’ny vahiny ity firenena ity izahay! Ny maha maika izao dia ny hitadiavana vahaolana tsy hampifandrafy ny malagasy. Na iza na iza vazaha mitady hitondra an’i Madagasikara. Tsy hisy portogey hilatsaka filoham-pirenena mozambikanina na afrikanina tantsimo mbola andeha hilatsaka toy ny tamin’ny andron’ny “apartheid” ireny ary tsy hisy norvezianina hilatsaka ho filoham-pirenena ao Zinbabwe. Fa maninona eto Madagasikara no hisy vazaha hilatsaka filoham-pirenena malagasy, hoy hatrany izy ireo?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT