Front de libération nationale

«Tsy maintsy mitady ny fomba rehetra izy hampanginana anao!»


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Manoloana ny fanenjehana ara-politika miseho lany ankehitriny dia nanambara ny antoko politika

FLN na Front de libération nationale fa raha hitanao fa tsy mety ny fomba fitantanan’ilay mpitondra na ilay politika apetrany mihitsy no tsy mety dia anaovanao fanakihanana na fanoherana dia mazava ho azy fa praiminisitra sy filoham-pirenena no tompon-kevitra amin’io kihaninao io. Tsy maintsy mitady ny fomba rehetra koa izy, hoy ny filohan’ny FLN, Iada Jean Pierre, hampanginana anao mba hahafahany manatanteraka ny heviny! Izay, hoy izy, no mahatonga an’io fanenjehana ara-politika araka ny lazaintsika io. Fanenjehana politika ilay izy fa arahana fahafantarana mialoha ihany koa zavatra tsy mety na «pénal» nataonao tany ahafahana mamatotra anao rehefa voatana eo ianao satria ny mpaneho hevitra rehetra tsy mahafaly ny fitondrana raha ho samboriny daholo kanefa tsy manana raharaha mety hamatotra azy. Ho samboriny eo fotsiny dia avy eo avotsotra raha izay fa ireo manana raharaha mamatotra azy amina heloka efa nataony tany aloha ka mbola tsy tapitra ny fetr’andro, ireny kosa dia samboriny ara-politika fa rehefa avy eo ny hanagadrany azy dia ilay heloka ary izay no mahatonga azy ireo ho voatazona maharitra be any. Izay no hitarin’ny fanjakana. Alefany tsikelikely eo. Tapitra ny sazinao amin’ny heloka iray dia alefany indray amin’ny heloka manaraka satria te hampangina anao izy nefa sarotra ho azy ny mampangina anao ho azy amin’izao noho ny hoe misy an’io fanagadrana anao io dia izay no zavatra ataony, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT